• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Foibe fitsaràna fiarakodia : « Tsy ekena intsony ny fanaovana « visite » taratasy fotsiny »

14/09/2017 05:59 © Moov

« Tsy ekana ary tsy andefarana intsony ny fanaovana « visite technique » taratasy (papier) fa tsy mitondra fiara, na iza na iza. Mampitandrina ihany koa an’ireo mpanelanelana (mpanera) izay mbola zatra lalan-dririnina fa tsy handeferana izay tratra ».

Hentitra dia hentitra tokoa ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia, ny Jly Ratelo André, omaly nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toeram-piasàny tetsy Alarobia. Tato ho ato tokoa mantsy izay, raha tsy hiteny afa-tsy hoe taorian’ireo lozam-pifamoivoizana nisesisesy namoizana ain’olona marobe, dia saika voatondro molotra hatrany ireo eo anivon’ity Sampana fitsaràna fiarakodia ity. Tiana anefa ny mampahatsiahy, hoy hatrany ity Tale jenaraly vaovao ity, fa ny fitiliana ny fiara ara-teknika ihany no sahaninay. Ka raha amin’izay resaka izay no nahatonga ny loza dia tompon’andraikitra tanteraka izahay. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy izay no miseho. Na izany na tsy izany anefa, dia « ekena fa misy dia misy tokoa ny lesoka saingy harenina tanteraka izany », hoy izy. « Efa nanome baiko ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny fitsaràna fiarakodia manerana ny Nosy ny tenako ny amin’ny fampiharana izay fepetra izay, ary mampitandrina ireo izay minia mbola mandika izany fa handray fepetra hentitra izahay, ary mety hiafara hatramin’ny fandroahana sy fanagadrana mihitsy raha ilaina». Fantatra moa fa efa nisy ireo tratra tamin’ny resaka «réception sy visite technique » hosoka amin’ny fiara, ary efa natolotra ny fitsaràna sy nampidirina am-ponja ireo olona ireo.

Fa ankoatra izay dia nambaran’ity tompon’andraikitra voalohan’ny Foibe fitsaràna fiarakodia ity fa hisy ny fanatanterahana ny fepetra manokana noraisin’ny Ministeran’ny Fitaterana ny amin’ny fanaovana « fitsirihana ara-teknika manokana » ireo fiara fitateram-bahoaka hofaina, hivoaka ny lalana misy ny zotrany, mihoatra ny 40 km. « Manomboka izao dia tsy maintsy mandalo aty aminay ireto fiara ireo, roa andro alohan’ny hiaingàny, hanaovana izay fitsirihana manokana izay. Familiana, kodiarana, hisatra ary ireo kojakoja miantoka ny ain’ireo mpandeha amin’ny fiara no hojerena amin’izany. Aorian’io dia omena « fanamarihana ny nahavitana io fitiliana manokana io » ilay fiara ary io no entiny eny anivon’ny ATT, ahazoana ilay « fahazoan-dalana manokana » avy eo. Amin’izay fotoana izay, dia tompon’andraikitra tanteraka ny mpitsara ilay fiara raha voaporofo fa tsy fahatomombanana ara-teknika no nitarika ny lozam-pifamoivoizana ». Noraisina ireo fepetra rehetra ireo hisorohana ny loza, satria dia « lahitokana ny aina ». Hiarahantsika miady ihany koa ny kolikoly sy ny hosoka rehetra, ka entanina ny rehetra mba hanome vaovao raha mahita na maheno tranga toy izany, hoy izy namarana ny teniny.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires