• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Pesta eto Toamasina : Ilaharana ireo fivarotam-panafody

14/09/2017 05:58 © Moov

Miezaka manome vaovao ny vahoaka hatrany amin’ny fiantsoana mpanao gazety sy mamoaka fanambarana ny eo anivon’ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana sy ny minisiteran’ny fahasalamana ary ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS).

Raha ny fanazavana nomen’izy ireo omaly maraina indray dia olona roa no maty eto Toamasina hatramin’ny nisian’ity trangana “Pesta amin’ny Tratra” ity, ankoatra ireo mpianakavy dimy maty tao Antananarivo izay avy niala sasatra teto Toamasina. Ny voalohany maty ny 3 septambra tao Barikadimy dia mpianatra eo anivon’ny oniversite, izay nifanila seza tamin’ilay ramatoa maty ny 28 aogositra lasa teo; ny faharoa kosa dia rangahy maty ny 4 septambra izay teo anoloan’ilay vehivavy maty tao anaty fiara kosa. Ny nahagaga anefa dia niisa 18 ireo mpandeha niray fiara tamin’io fotoana io izay tsy hita hatramin’izao ny ankamaroany, raha ny fanazavana.

Filaharam-be. Vokatr’io tahotra amin’ity aretina ity mora mifindra amin’ny alalan’ny rivotra sy rora amin’ny alalan’ny marary mikohaka, dia raiki-tahotra tanteraka ny vahoaka eto Toamasina ka miezaka ny manao ny fiarovan-tena rehetra. Vao maraina dia efa nilaharana avokoa ireo fivarotam-panafody ividianana ilay fanafody voalaza fa azo iarovana ny fitrangan’ny aretina “Pesta amin’ny Tratra” ity. Teo koa ireo nividy ny tampim-bava sy orona ary maro ny manao azy eny an-dalana ankehitriny eto Toamasina. Noho io tahotra amin’ny vahoaka eto Toamasina io dia maro tamin’ireo ray aman-dreny no tsy nandefa an-tsekoly ny zanany, maro koa ireo sekoly, indrindra ny ao Mangarano – Salazamay – Ambohijafy – Antseranampasina – ary Tanambao V, no nanakatona aloha ho fisorohana ny fifamindran’ny aretina amin’ny samy mpianatra.

Tandrametaka. Ankilan’izay dia mahita ny maro fa ny “tandrametaka” sy fanaovana ny asa “tsy matihanina” tamin’ireo mpitsabo ihany no niteraka izao valan’aretina izao teto Toamasina ny faran’ny taona 1898 sy ny taona 1921. Fantatra mantsy fa raha najanona tao Moramanga ilay ramatoa maty tao anaty taksibrosy ny UTA ny 28 aogositra alina dia tsy nisy ny fitiliana natao taminy tamin’ny antony fahafatesany, fa avy hatrany dia nasiana “formole” fotsiny niandry ny havany avy ao Antetezambaro. Ireo mpianakavy avy niala sasatra teto Toamasina narary tonga tao Antananarivo izay nifandimby maty, izy mianakavy, nanomboka ny 6 septambra teo, vao nisy ny fangatahana fitiliana nataon’izy ireo ka namoaka ny fisian’ity valan’aretina “Pesta amin’ny Tratra” ity ny alatsinainy 11 setambra teo. Midika izany fa niandry 15 andro ny fanjakana vao taitra. Ankoatra izany dia mitohy ny fanadihadiana ho an’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny OMS mikasika ity valan’aretina Pesta ity eto Toamasina. Nitombo 350 indray ireo olona nomena fanafody fiarovana azy noho izy ireo ahiahiana amin’ny Pesta tamin’ny fifandraisany tamin’ireo maty. Misy olona 5 izao mbola mitsabo tena ao amin’ny hopitaly be tratran’ity Pesta ity.

Malala Didier
 

Lire la suite

Articles Similaires