• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Tetezan’i Bekiraro : Sarona ny basy vita gasy sy antsy lava fampiasan’ireo jiolahy

14/09/2017 05:55 © Moov

Malaza ho isan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahelamana iny faritra Andranomanalina, Isotry ary Manarintsoa sy Andavamamba iny.

Noho izay indrindra no tsy hikelezan’ireo pôlisy avy amin’ny boriborintany fahefatra aina, izay tahirihin’ny Lehibeny, amin’ny famongorana ireo olon-dratsy. Omaly vao mangiran-dratsy dia nisy ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy nikasa hanao ny asa ratsiny teny amin’iny tetezan’i Bekiraro iny. Vokany, basy lava vita gasy iray no sarona teny an-toerana, niaraka tamin’ny sabatra sy satroka fentin’ireo jiolahy manao ny asa ratsiny. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny kaomisaria ity dia tafaporitsaka tanaty haizina ireo andian-jiolahy nifanenjehana, ary natsipiny ireto fitaovam-piadiana ireto. Iaraha-mahalala tokoa ny haizina manjaka eny an-toerana noho tsy fisian’ireo takamoa eny amin’ireo andrin-jiro eny an-toerana. Antony izay mampanjaka ity resaka tsy fandriampahelamana ity. Na izany aza anefa dia tsy nikely soroka ireto mpitandro filaminana nifanenjika tamin’ireto olon-dratsy, ary mbola manohy ny fisafoana andro sy alina ary ny fikarohana ireto farany izy ireo.

Raha ny fanazavàna azo hatrany dia efa miha-mihena tsikelikely ny asan-jiolahy amin’ireo faritra mena ireo, noho ny fisian’ny paikady matotra napetrak’ireo pôlisy eny an-toerana. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo vaomieram-pokonolona isan-tsokajiny avy. Ny eo anivon’ny fokontany, izay nisian’ny fametrahana vavahady isaky ny elakelan-trano ary manampy betsaka ireo mpitandro filaminana. Ao ihany koa ny fandefasana ireo pôlisy tsy manao fanamiana hitily sy hisambotra ireo mpanao ratsy eny amin’ireo toerana isan-karazany, voalaza fa anjakan’izay tsy fandriampahelamana izay. Amin’izay lafiny izay dia nanipy teny ity tompon’andraikitra voalohany ity fa tsy maintsy misy mpanendaka voasambotra foana isan’andro eny an-toerana. Tsy ampy anefa ny ezaka ataonay raha tsy eo ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona, hoy hatrany izy. « Misy ny laharana azo antsoina tsy tapaka raha misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Ny 017 na 117 ary ny 034 05 998 34 ». Azo antenaina araka izany fa hilamina tsy ho ela ny amin’iny toerana iny raha mitohy ny ezaka toy izao. Tsiahivina moa fa vao ny herinandro teo no nahatratra balana « kalach » maromaro ireo pôlisy teny an-toerana ary efa nandray ny valin’asany ireo tontakely tamin’izany.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires