• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Rocade Andohatampenaka : V8 nidona tamin’ny « talus », tafiakatra roa ireo namoy ny ainy

13/09/2017 06:01 © Moov

Fanindroany izay. Raha mbola vao andro vitsivitsy izay no nisian’ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy amin’ny sampanana mihazo ny “rocade” Andohatampenaka, eo akaikin’ny sampanana Ambohitrimanjaka iny, dia namono olona indray izany lalana izany ny alin’ny alatsinainy lasa teo.

Fiara tsy mataho-dalana iray, Toyota V8 no nidona tamin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Olona telo no tao anatiny raha ny angom-baovao azo, izay samy naratra mafy avokoa. Nentina avy hatrany tao amin’ny hôpitaly tetsy Andohatampenaka iray tamin’ireo naratra saingy vao tonga tao dia namoy ny ainy. Ireo roa hafa kosa dia nezahina nentina haingana teny amin’ny hôpitaly Hjra tetsy Ampefiloha. Indrisy anefa fa namoy ny ainy ihany koa ny iray tamin’izy ireo nony tonga teny. Ilay olona fanintelony kosa dia mbola tsy mahatsiaro tena araka ny angom-baovao hatrany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana tonga nizaha ifotony ny zava-nisy teny an-toerana dia fantatra fa nandeha mafy dia mafy ity fiara tsy mataho-dalana ity. Nanaporofo izany ny tabilao manondro ny hafainganam-pandehan’izy ireo izay mbola nijanona teo amin’ny 140 km/h. Tsy voafehin’ny mpamily intsony angamba ny familiana ary dia nihanika ny dongona mpanara-dalana izy ireo ary dia nifatratra tany amin’ny rari-vato sisin-dalana nony avy eo. Raha ny fantatra dia tafapitika teny ivelan’ny fiara mihitsy ny olona iray teo aloha. Nifampisokirana kosa ireo roa ambiny tavela tao anaty fiara.

Ora maromaro taorian’ity loza nitranga teny an-toerana dia tonga teny an-toerana avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Omaly io ihany mantsy dia tonga nidina teny an-toerana ny avy ao amin’ny sampan-draharaha miandraikitra ny fifamoivoizana, nanisy marim-pamatarana amin’ny tany sy ireny karazana dongona fanalefahana hafainam-pandeha ireny. Tsy ampy iray volana tokoa mantsy izay dia efa aina efatra sahady no lasan’ireo sampanana mivoaka eo amin’ny « rocade » io, ary saika tamin’ny toerana mitovy avokoa ny nahavoa an’ireo fiara ireo. Efa nisy foana ny fitarainana nataon’ireo mpampiasa lalana saingy toa nandrasana hisy aina nafoy maromaro vao nisy ny fandraisan’andraikitra. Tsy eo amin’io toerana io ihany anefa fa maro ireo lalana vao nasim-panamboarana no mampimenomenona ireo mpampiasa satria mety hitera-doza. Toa izany ohatra ilay « rond point » eo amin’ny Bypass mihazo, sampanana Alasora, izay sady maizina no tsy misy famantarana. Efa nitera-doza matetika io « rond point » io saingy mbola hatreto mbola tsy nisy aina nafoy.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires