• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Halatra Sprinter : Olona enina no hatolotra ny Fitsarana anio

12/09/2017 06:45 © Moov

Araka ny efa notaterina teto amin’ny gazety ny herinandro lasa iny, tena voaporofo ankehitriny fa tena efa jiolahy gaigilahy amin’ny halatra fiara ireo voasambotry ny zandary tamin’ilay Sprinter very teny Ambohidratrimo ka hita tany Ambato-Boeny.

Fiara Sprinter iray hafa indray, izay very tamin’ny 18 Jolay lasa teo, no hanolorana azy ireo eo anoloan’ny Fitsarana anio. Olona enina izy ireo no voarohirohy amin’izao raharaha izao ka isan’izany ilay olona nividy ilay fiara tany Mahajanga. Nandritra ny fidinana nataon’ny Zandary avy ao Ambohidratrimo tany Ambato-Boeny raha nanaraka ilay Sprinter very ka hita tany an-toerana no nahalalan’izy ireo fa misy Sprinter iray hafa mampiahiahy ao Mahajanga. Rehefa naheno izany ny tompon’ity fiara ity, izay mipetraka any Ambatolampy, dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Zandary tao Ambohidratrimo. Tao aorian’ny fanamarinana natao dia hita fa an’ilay olona tokoa ilay fiara izay mitovy tanteraka amin’ny fomba nangalarana ilay Sprinter voalohany no nahazoan’ireo jiolahy azy.

Hitsena razana. Ny marainan’ny 18 Jolay dia nisy niantso an-telefaonina ny mpamily ilay fiara. Nilaza ilay niantso fa hanofa ilay fiara mba hitsenana razana eny amin’ny seranam-piaramadina Ivato. Nifanaiky ary ny roa tonta fa eny amin’ny amin’ny mpivarotra voninkazo eny Anosy ny fotoana ny tolokandro. Nony tonga teny ilay fiara dia lehilahy telo avy nividy voninkazo fanao amin’ny maty tokoa no nitsena ilay mpamily. Roso ary ny dia nankeny amin’ny seranam-piaramanidina. Rehefa nijanona elaela teo amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia eny amin’ny seranam-piaramandina dia nilaza tamin’ilay mpamily ireto mpanofa fa mbola ho ela vao ho tonga ny fiaramanidina. Ka mba iandrasana izany dia aleo aloha mandeha mamonjy mpivarotra mba hisotrosotro kely. Taorian’izay, nizotra nankeny amin’ny « Bout de piste » indray ny dia fa hoe mba haka aina kely hono. Teny vao tonga saina ilay mpamily fa hay jiolahy ireto olona entiny. Daroka avy hatrany no nahazo azy. Tsy vitan’izay fa mbola nasiana big-boss sy ranon-tsakay ny masony ary nofatorana. Notsindronina antsy ny feny. Taorian’izay dia naondran’ireo jiolahy tao anaty fiara izy ary nariana teny akaikin’Ambohidratrimo. Olona sendra nandalo no nahita ka namonjy ity mpamily ity efa reraka noho ny ratra sy ny vono natao azy. Teo vao nampandrenesina ny tompon’ny fiara izay nanatona avy hatrany ny Polisy misahana ny heloka Bevava etsy Anosy. Dia izao niafara tamin’ny nahitan’ny Zandary ny fiara tany Mahajanga izao. Nomarihin’ny Zandary mpanao famontorana fa tsaroan’ilay mpamily tsara fa ireo jiolahy ireo tokoa no nidaroka azy rehefa natoro azy ireto farany nandritra ny nitondrana azy teny amin’ny Fitsarana tamin’ny Zoma. Andrasana noho izany, ny didy havoakan’ny Fitsarana anio. Ireo jiolahy rahateo efa niaiky ny heloka vitany nandritra ny famontorana azy ireo tany amin’ny Zandary.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires