• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Betroka : Voasambotra ny mpanatsy akora simika fanaovana balan’ireo dahalo

12/09/2017 06:38 © Moov

Olona miisa 8 no voasambotry ny zandary ao Betroka, ka ny 3 dia dahalo tratra teo am-pikotrehana fanafihana ary ny 5 kosa dia andian’olona mpiray tsikombakomba mamatsy ireo dahalo ireo ny akora simika toy ny « Chlorate de sodium » milanja 210 kg fanamboarana bala ho enti-manafika.

Ny 9 septambra 2017 tamin’ny 3 ora tolak’andro raha nanao fisafoana ny zandary sady nanao fanangonam-baovao dia nisy nandre fa misy dahalo mivorivory manomana fanafihana any amin’ny lalàna mivoaka ny tananan’i Betroka miazo an’Antranovato akaikin’ny seranam-piaramanidina. Namonjy io toerana io avy hatrany izy ireo. Niezaka nadositra avy hatrany anefa ireo jiolahy raha vao nahita ireto zandary. Tratra ihany anefa ny telo lahy fa ny iray tafaporitsaka. Tratra teny amin’izy ireo ny mohara, lambamena fentin’izy ireo manao fanafihana, ny bala ary vovoka simika famahanana ireo vodim-bala efa avy niasa mba ho azo ampiasaina indray, niampy karazam-by sy firaka maro, ary « pile alcaline » fanao bala (projectile). Teo no ho eo ihany dia nofotorana izy ireo ka nilaza fa avy nividy ireo akora simika ireo tao amin’ny mpivady iray (DA mivady) izay monina ao Betroka tampon-tanàna ihany. Nosamborina avy hatrany izy mivady ireto. Ny 10 septambra 2017 maraina dia nitohy ny fanadihadiana ka trano iray hafa (an’ny miandry tanànan’i FL mivady) izay mifanakaiky amin’i DA mpivady ireo ihany no nosavaina satria re fa efa nisy olona namindra tao amin’io trano io ny kitapo vitsivitsy misy ireo akora simika izay tao amin’ireo mpivady voasambotra voalohany. Tratra tao tokoa ny kitapo miisa 3 izay misy « chlorate de Sodium » 25 kg avy sy mbola tsy vaky, 125 kg izay « en vrac » izay efa vita anaty fonosana madinidinika maromaro. Nosamborina avy hatrany ilay mpiandry tanàna izay nahitana ireo entana ireo. Ireto farany no nanondro vehivavy iray hafa izay vadin’ny mpampiasa azy ihany (vadin’i FL). Ity farany no notondroiny ho niara-namindra maimaika ireo entana ireo tamin’i DA tao amin’izy ireo raha vao nandre izy ireo fa nisy tratra ireo dahalo vao avy nividy akora simika taminy ka sao dia voasavan’ny zandary ny trano. Nanambara moa io mpiandry tanàna io fa an’i FL ireo entana ireo. Nosamborina ihany koa io vehivavy vadin’i FL io. Rehefa nokarohana i FL dia fantatra fa efa niala vao maraina be (tamin’ny 3 ora maraina) ny 10 septambra 2017 teo an-tanàna niaraka tamina olom-boafidy iray any amin’iny faritra iny ihany. I DA sy i FL moa dia mpirahalahy am-panambadiana ary efa nahatratrarana basy tsy ara-dalana volana vitsy lasa izay ka nahazo fahafahana vonjy maika rehefa nentina teny amin’ny Fitsarana.

Raha ny fanampim-baovao azo dia ireo olona ireo no mpamatsy an’ireo akora ireo manerana iny faritra iny ka amidiny 10.000AR ny iray kapoaka kely « Madco » izay mahavita bala basim-borona miisa 70.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires