• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fanafihana mitam-piadiana eto Andrenivohitra : Jiolahy 15 voasambotra niaraka tamin’ny basy sy bala marobe

11/09/2017 07:15 © Moov

Vola mampiahiahy ny momba azy, balana basy kalachnikov miisa 11, basy poleta 2 ka ny iray vita gasy, balana basim-borona calibre 12 miisa 9, antsy, fitafiana mpitandro ny filaminana.

Ireo rehetra ireo no azon’ny Polisim-pirenena teto Antananarivo, tamin’ny nahasamborana olona 15 tamin’iny herinandro iny. Fisamborana notanterahana tamin’ny toerana maromaro teto Andrenivohitra ary nandraisan’ireo polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka etsy Isotry, kaomisaria 67 ha, Kaomisaria boriborintany faha-5 etsy Mahamasina, ary ny sampana miandraikitra ny heloka bevava (BC) etsy Anosy.

Mikasika ity farany manokana, dia olona 5 mpikambana ao anaty fikamban-jiolahy efa malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana, no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny BC teny Sabotsy Namehana sy Andavamamba, vokatry ny angom-baovao nataon’izy ireo. Fisamborana izay naharitra telo andro maninjitra. Araka ny nambaran’ny lehiben’ity sampan-draharaha ity raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny Sabotsy teo, fa tsy nahatrarana fitaovam-piadiana aloha ireto olona ireto, ary mbola miriaria any ny naman’izy ireo.

Ankadivato. Mbola avy amin’ny BC hatrany. Ny Zoma 08 Aogositra teo, dia nahazo vaovao avy tamin’olona tsara sitrapo ireo polisy ao amin’ny sakely faha-4 (BC) fa misy mampiahiahy ho mitazona basy eny Ankadivato. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka olona 2 no voasambotra, sarona tamin’izany ny basy poleta marika Beretta calibre 7,65 mm miaraka amin’ny bala 5 sy basy poleta iray hafa. Nilaza ireto olona ireto tmin’ny fanadihadiana natao azy ireo, fa saika hitadiavana mpividy ireo fitaovam-piadiana ireo. Nanambara izy roalahy, fa tsy azy ireo ny entana ka dia nanondro ilay olona nahitana izany. Tratra teny amin’ny 67 ha moa ity farany rehefa nokarohina. Ny fanadihadiana nataon’ny polisy hatrany no nahalalana, fa jiolahy efa gadra lava noho ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana ary efa nisazy teny Tsiafahy ity nahazoana ireo basy sy bala ireo ity. Araka ny fanazavana hatrany, dia anio no hatolotra ny Fampanoavana izy roa lahy ireto ary fikambanan-jiolahy sy fikasana hivarotra basy tsy ara-dalàna no hanenjehana azy ireo.

Fasan’ny Karana. Vokatra avy amin’ny kaomisaria boriborintany faha-5 kosa ity manaraka ity. Nahatsikaritra lehilahy iray nampiahiahy azy ireo teny amin’ny fasan’ny karana ireo polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faha-5 ety Mahamasina raha nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny, ny Zoma lasa teo.Nosavaina avy harany ity lehilahy ity ka nahitana basy poleta vita gasy sy balana basim-borona calibre 12 miisa 9, lelavola mitentina no 20 tapitrisa ariary tany aminy. Rehefa nofotorana ny momba ireo entana ireo, dia nambarany fa basy novidiny tamin’ olona tsy fantany tany Morondava ilay basy. Mikasika ilay vola 20 tapitrisa dia nambarany fa mpanangom-bokatra hoana orinasa mpanao menaka voanio ny tenany . Nampiseho taratasy manamarina izany asany izany tokoa izy. Nefa noho ny fahitan’ny polisy fa hafahafa ihany ny momba ity lehilahy ity, dia nilaza ny tsy maintsy hanao fanadihadiana mikasika izany ihany ny polisy. Heloka itazonana ity lehilahy ity aloha hatreto ka hanolorana azy ny Fitsarana anio, dia ny fitazonana basy tsy ara-dalàna.

Isotry sy 67 ha. Jiolahy 5 malaza amin’ny fanendahana kosa no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny biriborintany faha-7 67ha, ny alin’ny zoma 8 Aogositra lasa teo raha nanao fisafoana teny amin’iny lalana Cenam, Tanambao, ary 67 ha iny izy ireo. Tra-tehaka teo am-pangalarana entana tao anaty fiara ireto jiolahy ireto. Ny zoma io ihany tamin’ny 1 ora antoandro. Nidina teny an-toerana ny polisy avy aoamin’ny kaomisaria ny Filaminam-bahoaka boriborintany fah-4 rehefa nahazo antso tamin’ny fisiana lehilahy iray mitondra sakaosy mampiahiahy eny amin’ny tetezan-dRamala. Nosamborina avy hatrany ity olona ity. Rehefa nosavaina ny entany, dia nahitana fanamiana an’ny mpitandro filaminanana, balana basy kalachnikov miisa 11, ary antsy maranitra. Ny fanadihadiana no nahalalana fa avy any Ankazobe ity lehilahy ity ary nilaza izy, fa mpitandro ny filaminana teo aloha. Fitanana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalàna sy fikasana hanao fanafihana mitam-basy moa no hanolorana ity lehilahy ity, ny Fitsarana anio.

T.M

Lire la suite

Articles Similaires