• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Antsohihy : 10 taona an-tranomaizina ilay Karàna namono vady

11/09/2017 07:07 © Moov

Fanagadrana 10 taona an-tranomaizina sy fandrarana tsy handia faritany mandritra ny dimy taona ary fandoavana onitra 25 tapitrisa ariary no sazy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsohihy an’ilay karana antsoina hoe Arif Djo izay voampanga fa namono nahafaty ny vady andefimandrinySahouna Salim Mamodtamin’ny 31 desambra 2016.

Notanterahina ny zoma 8 septambra teo ity fitsarana ity raha tokony ho ny Alakamisy no daty voatondro hanaovana zany. Anton’ny fihemorana, raha araky ny voalaza, dia tsy navoakan’ny Fitsarana ara-potoana ny didy famerenana am-ponja ny voampanga, 48 ora mialoha ny fotoam-pitsarana, rehefa nahazo fahafahana vonjimaika tamin’ny 12 Aprily 2017. Ny Alakamisy 7 Aogositra tamin’ny 1 ora antoandro izany vao tonga tany amin’ny mpitandro filaminana izay tokony hanatanteraka azy.

Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ny raharaham–pitsarana io zoma io ary tsy vita raha tsy tamin’ny valo ora alina. Arak’izany, vono sy ratra niniana natao, nitarika ny fahafatesam-badiny no vesatra nanenjehana an’i Arif Djo, izay rahalahina mpanolontsaina minisitra iray HVM. Naharitra adim-pamantaranadro maromaro ity Fitsarana ity satria tamin’ny 7 ora sy sasany hariva tany ho any vao vita ny fifandaharana teo anoloan’ny mpitsara raha tamin’ny 1 ora atoandro izany no natomboka. Naharitra 45 ministra tao aoriana vao nivoaka ny didim-pitsarana. Izany dia midika fa nafana tokoa ny fifandaharana tao. Henjana tokoa ny votoatin’ny taratasin’ady. Isan’izany ny nisian’ny filazana an-taratasy nataon’ny ray niteraka ity ramatoa ity tamin’ny volana Mey 2017 fa namono tena ity zanany ity fa tsy novonoina. Ity rangahy ity,izay voalaza fa efa nisaraka tamin’ny reniny ary tsy nitaiza azy. Nefa ny fanamarinana izay nampanaovin’ny Fitsarana raha vao nisy ny ahiahy tamin’ny nahafaty ity Ramatoa ity dia nahitana fa novonoina izy. Tsy afa-niala intsony anefa ny voampanga tamin’io Fitsarana natao tamin’ny Zoma io satria nivadika tamin’ny teniny ity rangahy ityka nanamarina fa novonoina ilay zanany. Niaiky izy fa noterena nanao ilay taratasy voalaza etsy ambony. Notambazana vola hono izy ary nampanatenaina fa fa hiantohana ny fiainany mandram-pahafatiny. Noraketiny an-tsoratra tamin’ny volana Septambra ary efa natolotra ny Fitsarana izany fisintonana filazana diso izany.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires