• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Sprinter very teny Ambohidratrimo : Sarona tany Ambato-Boeny, olona iray nadoboka any Tsiafahy

08/09/2017 06:34 © Moov

Folo andro taty aoriana, sarona tany Ambato-Boeny ilay fiara Sprinter an’ny kaoperativa FIFIABE manao taxi-be mampitohy an’i vasakaosy sy Alakamisin’Ambohidratrimo nisy nangalatra tamin’ny 26 Aogositra lasa teo.

Voasambotra avokoa ireo rehetra nitsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Miisa 7 izy ireo ka ny 5 no tena nanatanteraka ny halatra mivantana, ny 1 kosa no nikarakara ny fivarotana ilay fiara ary ny iray mpividy.

Ny famontorana nataon’ny zandary izay niandraikitra ny fikarohana dia naneho fa tena efa maty paika tokoa ny tetika nampiasain’ireo jiolahy. Efa nokendrena mialoha ny hangalarana io Fiara io raha ny fitantaran’ilay mpamily ilay Sprinter izay niatrika ny zava-misy tamin’ny nakan’ireo jiolahy ilay Sprinter. Nisy niantso an-telefaonina izy ny zoma 25 Aogositra tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Nilaza ilay mpiantso fa hanofa ilay fiara mba hitondrana mpivavaka. Nilaza anefa ilay mpamily fa tsy vita an-telefaonina izany fa tsy maintsy miresaka mivantana. Nofanome fotoana teny amin’ny Jovenna Andranomena ny roa tonta tamin’ny 6 ora hariva. Nony tonga teny anefa, nilaza ity milaza hanofa fa mbola misy sakana kely fa hahemotra Sabotsy ny ilana ny fiara ary nanome 10 000 ariary ho vodiombim-barotra na « avance » ity farany. Ny sabotsy maraina, nahazo antso ilay mpamily fa eny Ambohidratrimo, na ny marimarina kokoa eny Ambohimanadray, foiben-toeran’ny « Témoin de Jehovah » no fotoana amin’ny 6 ora hariva. Rehefa tonga teny anefa ka nanajanona ny fiara sy namono jiro ilay mpamily dia nambarany fa olona roa lahy no tonga dia nitsofoka teo akaikiny teo anoloana. Avy hatrany dia nidaroka azy sy nofafazana ranon-tsakay ny masony. Avy eo namatotra ny tanany sy ny tongony sy nanampina ny vavany tamin’ny « scotche ». Torak’izany koa no natao tamin’ny mpanampy azy tao aoriana izany nambarany fa tsy fantany intsony na firy na firy marina ireo olona nanao izany. Nentin’ireo jiolahy amin’izay ny fiara ka narian’izy ireo teny an-dalana izy roalahy. Na izany aza, nahavaha ny fatorana natao azy ihany ilay mpamily ka niezaka nampandre ny zandary tao Mandrosoa Ivato, satria teo no hitany fa akaiky indrindra raha niala teo amin’ny toerana nanariana azy izy. Dia nandeha amin’izay ny fikarohana.

Novana laharana. Raha araka ny fitantaran’ny Chef d’Escadron, Rakotondravony Zaramanantsoa Emma, komadin’ny kaompania Imerina-Afovoany izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, tany Mahajanga no nitondran’ireo jiolahy ilay Sprinter raha niala teto Antananarivo io andro io. Nefa nialoha izay dia efa novan’izy ireo laharana fiara avy any Mahajanga (9857MB) ilay fiara. Novana ihany koa ny lokony ka notakonana loko mainty (auto-colant) ilay tsipika mena nahafantarana ny fiaran’ny Kaoperativa FIFIABE. Fanangonam-baovao nataon’ny zandary no nahafahana nisambotra ny iray tamin’ireo jiolahy tany Ankadinondry-Sakay ny 2 Septambra. Ny ampitson’io kosa no tratra ny faharoa, izay tena atidoha. Ny fanadihadiana natao tamin’ireto roa ireto no nahasamborana ny naman’izy ireo telo tany Mahajanga rehefa nahazo alalana avy tamin’ny Fampanoavana ireo mpanao famontorana. Ireto olona ireto indray no nahalalana fa efa lafo any Ambato-Boeny ilay fiara, ka ny olona nikarakara ny taratasy ho an’ilay fiara no nentina nidina tany hijery izany. Hita tany tokoa ilay fiara ka nahafahana nisambotra ilay mpividy ny 5 septambra. Araka ny fanazavana hatrany, 13,4 tapitrisa ariary no nividianan’ity olona ity io fiara io. Vidiny latsaka lavitra ny tokony ho izy izay tombanana hatrany amin’ny 36 na 40 tapiritrisa ariary izany. Antony iray, izay nambaran’ny zandary fa mety ho mpiray tsikombakomba ihany koa ity mpividy ity. Fehiny, olona fito no voasambotra ka natolotra ny Fampanoavana omaly. Somary nanaitra ny zandary sy ny tompon’ny fiara ihany anefa ny didy navoakan’ny teo anivon’ny Fitsarana satria, olona iray ihany izay heverina fa tena atidoha no notanana am-ponja vonjimaika any Tsiafahy, fa nomena fahafahana vonjimaika avokoa ny ambiny. Nefa voalaza fa samy niaiky ny fiampangana azy avokoa ireo olona ireo. Ny telo tamin’izy ireo anefa izay voasambotra tany Mahajanga ka isan’izany ilay nalefa any Tsiafahy dia efa voarohirohy tamina halatra fiara Sprinter avy any Ambatolampy, tao Ambohidratrimo. Manoloana izany, naverin’ny Zandary avy hatrany any amin’ny borigadin’Ambohidratrimo ireo roalahy ireo sy olona telo hafa mba hanaovana fanadihadiana vaovao indray. Mitohy ny famotorana.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires