• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Faritra Betsiboka : Namaky bantsilana ny maharary azy ny vahoaka

07/09/2017 06:06 © Moov

Nitohy ny Alatsinainy 4 septambra lasa teo tany amin’ny faritr’i Betsiboka ny bemidina izay ataon’ny eo anivon’ny Zandarimaria mba hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny Zandarimariam-pirenena sy hametrahana ny fandriampahalemana maharitra miantefa any amin’ny vahoaka.

Tao Tsaratanàna no nananterahana izany ka ny Jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo, talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Jeneraly Miasa Manohizara Toussaint, talen’ny Fifandraisan-davitra sy fampitam-baovao eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimaria no nitarika ny delegasiona avy aty Antananarivo. Ny marainan’io Alatsinainy io dia nisy ny fikaonan-doha notontosain’ireo tompon’andraikitry ny Zandarimaria ireo niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana tao an-toerana. Izany fikaonan-doha izany dia naompana indrindra tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Nanome toky ireo tompon’andraikitra ireo fa vonona tokoa hiara-hiasa na ara-kevitra na ara-pitaovana na ara-bola mihitsy aza amin’ny fametrahana izany tanjona izany. Isan’ny nodinihina tamin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Zandarimaria sy ny olom-boafidy sy olom-boatendry (Loholona, Depiote, Préfet, Lehiben’ny distrika, Lehiben’ny Polisy, Ben’ny tanàna,…). Teo ihany koa ny fiaraha-miasan’ny Zandarimaria sy ny vahoaka ka tafiditra ao anatin’izany ireo Ray aman-dReny ara-drazana sy Ray aman-dReny ara-panahy. Ny folakandro dia natokana nihaonana nivantana tamin’ireo vahoaka sy nanomezana azy ireo sehatra mba hamaky bantsilana ny sakana izay mitarika ny tsy fandriam-pahalemana. Vokany, tsy nisalasala ireto farany nametraka fanontanina sy nampahalala ireo tompon’andraikitra ny olana sy ny maharary azy. Isan’izany ny fisian’ireo zandary sy ireo tompon’andraikim-panjakana sasany manao kolikoly, mifandray tendro amin’ny dahalo, sy manao fanamparam-pahefana. Teo anatrehan’izany dia nanome toky ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Zandarimaria ireo fa vaindohan-draharaha ny fanadiovana ny ao anatin’ity hery ity fa tsy natao fieren-jiolahy na mpano ratsy ny Zandarimaria. Nisy moa ny fanomezana laharan-tariby maromaro mba ahafahan’ny be sy ny maro mampahafantatra sy mampita izay tsy mety hitan’izy ireo ataon’ny Zandary eo am-panatanterahana ny asany.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires