• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina : Nisy nandoro ny fitsarana ambony

06/09/2017 08:40 © Moov

Tranga hafa kely ity niseho tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina, ny talata maraina tokony ho tamin’ny 09ora sy 15min ity.

Raha resaka fahatrarana mpanera misoloky ireo olona mpanan-draharaha, indrindra ireo avy any ambanivohitra no mateti-pitranga, tahaka ireo roa lahy tratra nisandoka ho mpisolovava efa mifonja ao Ambalatavoahangy farany teo, dia tovolahy iray 23 taona indray no tratra am-bodiomby nandoro ny efitranom-pitsarana sy ny sainam-pirenena.

Tsy mety voatsara. Ho fanatsarana sy fanafainganana ny raharaham-pitsarana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia mindrana efitranom-pitsarana amin’ny fitsarana ambony izy ireo hahafahana mitsara ireo raharaha maro be voarain’izy ireo ara-keloka sy ara-pitsarana madio. Ny marainan’ny talata teo raha ny fandaharam-potoanan’ny fitsarana, dia tokony hiakatra fitsarana ity raharaha na tovolahy iray noho ny halatra ity, saingy nahemotry ny fitsarana izany. Tezitra tamin’io tranga na fanemoran-dava ny fitsarana ny namany io, izay nambarany fa noho ny endrikendrika io, ity tovolahy 23 taona ity, ka izao nandoro ny efitra fitsarana faharoan’ny fitsarana ambony izao no nanehoany ny alahelony sy ny fahasosorany amin’ny fitsarana.

Tsy manenina. Avy hatrany dia tonga nijery ny zava-nisy ny polisy, ny filoha sy ny lehiben’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana ambony. Tamin’izany no nahalalana, fa ny sezan’ny filohan’ny fitsarana sy ny sainam-pirenena eo anivon’ny efitranom-pitsarana no may. Milaza ny tsy nanenina sy tsy matahotra hofonjaina ny tenany nandritra ny fisamborana azy. Avy hatrany dia nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny polisy ity tovolahy 23 taona ity, raha vita avokoa ny fakana ny porofo rehetra. Raha ny fantatra, dia ny lehiben’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana ambony no mpitory, ka “ny fandoroana efitranom-pitsarana ambony”, “ny fanimbazimbana mpitsara”, “ny fandoroana sainam-pirenena”, no heloka nitorian’ny fitsarana azy amin’izao raharaha izao.

Raha ny fantatra, dia nahemotra avokoa ireo antontan-taratasin’ady rehetra tokony hotsaraina sy namoahana didy tao amin’ny efitranom-pitsarana ity. Ankoatra izay dia anio ihany dia hiakatra eo anivon’ny tonia mpampanoa lalanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ity tovolahy nandoro efitranom-pitsarana faharoan’ ny fitsarana ambony ity. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires