• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fiara 4×4 very tao Ambaranjana : Sarona tany Fianarantsoa niaraka tamin’ilay mpamily nangalatra

06/09/2017 08:33 © Moov

Efa-bolana taty aoriana, hita ihany ilay Nissan 4×4 « double cabine », fiarana Karana nangalarin’ilay mpamiliny antsoina hoe Ramanandraisoa Jean Baptiste Lucien na i Lucien tetsy Ambaranjana, tamin’ny 12 aprily 2017.

Tratra niaraka tamin’ilay fiara ihany koa ity mpamily ity izay efa nokarohina raha vao nitranga ny halatra . Araka ny vaovao, olona telo, ka mpivady ny roa, no indray voasambotry ny polisy misahana ny raharaha toekarena na « Police économique » etsy Anosy, ny 28 Aogositra lasa teo tamin’ity raharaha ity. Raha tsiahivina ny tantara, nanatitra ilay karana mpampiasa azy sy ny fianakaviany nivavaka teny amin’ny 67 ha i Lucien io Alarobia 12 Aprily io. Nilaozany anefa ny mpampiasa, fa lasa izy niverina tany Ambaranjana mba hanao ny asa ratsiny. Ny fanadihadiana nataon’ny Polisy no nahalalana, fa naka taxi-be 119 izy nadehanany. Rehefa tonga tany izy dia niroso tamin’ny famakiana ny trano. Notapahany tamin’ny « meule » ny « grilles de protection ». Nalainy daholo ny taratasy rehetra mikasika azy tao an-trano. Nangalariny ny : fahitalavitra écran plat Sharp 01, finday Samsung Galaxy miisa 02, disque dure externe, lelavola mitentina 1.000.000Ariary, taratasin-tany maromaro, carnet de chèque maromaro, vola devise Euros, boaty misy fanalahidy isan-karazany, boaty misy firavaka volamena isan-karazany, certificat de nationalité maromaro. Nataony tao anatin’ilay fiara 4×4 izay nijanona tao anaty garage ireo. Nentiny nizotra namonjy ny RN7 ilay fiara rehefa avy nandalo ny By pass ka nihazo an’i Fianarantsoa. Nafeniny tany amin’ny namany iray tany ambanivohitry Fianarantsoa ilay fiara mandra-pahalafony azy. Taorian’izay dia niverina niakatra teto Antananarivo nanakalo ireo vola Euro, avy eo nitsoaka nakany Marovoay nivarotra ireo volamena. Nanomboka teo dia nivezivezy Fianarantsoa-Marovoay nitady mpividy ilay fiara izy. Nodorany daholo ireo ordinateur roa sy antontan-taratasy maromaro noho ny fahatahorana GPS. Ny ambiny sisa tsy may kosa dia nariany tany anaty reniranon’i Matsiatra. Ankoatra ilay fiara 4X4 izay efa tsy nisy laharana, mbola tratra tany amin’i Lucien ny TV écran plat Sharp nafenina tany Ambanivohitra, tao Manovoriaka-Fianarantsoa.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires