• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Ekar Faravohitra : Handao ny fiangonana i Mompera Taliano fa hafindra any Fianarantsoa

05/09/2017 06:16 © Moov

Tsy tokony hitsabahan’ny maha-olombelona mihitsy ny fanapahan-kevitra amin’ny famindràna mompera raha ny nambaran’ireo mpino katolika miteny frantsay ao amin’ny Ekar Faravohitra.

Ny alahady 24 aogositra lasa teo no nanaovana ny veloma mbola hifankahita an’i Mompera Taliano Antonino, nisahana ny lamesa tamin’ny teny frantsay ao amin’ny Ekar Faravohitra. Hafa kely tokoa satria 5 taona no nizatra ity mompera akaiky ny fon’ny mpino katolika ny rehetra ka hatairana raha nisy ny filazana fa hafindra toerana any Fianarantsoa ny tenany amin’ny tapaky ny volana septambra. Raha niasa 9 taona tany Mahajanga, 5 taona tao Faravohitra dia hahazo ny anjarany amin’ny fampianarana Baiboly sy fivavahana ny mpino katolika any Fianarantsoa.

Mompera akaiky ny mpiangona

Tsy vitan’ny hoe mitarika ny lamesa isaky ny Alahady i mompera Taliano fa mampianatra ny Baiboly ihany koa ary misahana ny fivavahana eny anivon’ny Polyclinique Ankadifotsy na ho an’ny marary na ho an’ny masera sy mpiasa ao an-toerana. Ireo fianakaviana manana marary an-trano ihany koa dia tena nankafiziny ny mitsidika azy ireo hany ka nahatsiaro ho maivana ny fangirifiriana samihafa. Ho an’ireo marary sy ny fianakaviana dia tena ratra ao am-po tokoa ny hoe « fisarahana » amin’ity mompera ity.

Mazava ho azy nisy ny tomany sy alahelo tsy hita pesipesenina satria amin’izao fotoan’ny Malagasy very fanahy mbola velona izao dia zara aza mahita mpanompon’Andriamanitra toa azy nahay nampita sy nampianatra ny Baiboly. Izay tokoa angamba ny hoe « fisedràna » na « làlan’Andriamanitra » izay tsy hita azavaina fa dia manaiky. Na izany na tsy izany amin’ny maha-olombelona dia mampanontany tena ny hoe « tsy zavatra toy izao ve no mahatonga ny mpino hitodika amin’ny finoana hafa indrindra ireo sekta satria dia tsy manana « repère » na filamatra intsony izy ireo ? Araka ny nambaran’ireo mpino katolika miangona amin’ny teny frantsay dia hoe « tsy mba afaka nanontaniana ve ny hevitray fa dia didy milatsaka avy any ambony toy ny didy jadona ny famindràna toerana ? fanapahan-kevitr’Andriamanitra tokoa ve sa fanapahan-kevitra olombelona no nahatonga izao ? Amin’ny maha-mpino dia manaiky ny fanapahana ary mitrotro am-bavaka ity mompera tena nahafinaritra ity ny mpivavaka katolika amin’ny teny frantsay ao Ekar Faravohitra.

R.S

Lire la suite

Articles Similaires