• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Kidnapping Arnaud sy Annie : Hotsaraina amin’ity volana ity ao amin’ny “cour criminelle”

04/09/2017 06:00 © Moov

Araka ny angom-baovao natao, dia hiditra fitsarana ady heloka bevava eto Toamasina amin’ity volana septambra ity amin’izay, raha naharitra 22 volana nisehoany sy nanaovana fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana malagasy. Voalazan’ny angom-baovao hatrany fa efa feno avokoa ny antontan-taratasin’ady rehetra ka izao hotsaraina izao ny raharaha.

Am-polony. Raha ny vaovao hatrany, dia efa saika nahazo ny fampahalalana izao fitsarana ny raharaha fakana an-keriny isany arahin’ny Malagasy sy ny vahiny, nitranga teto Toamasina ity ireo voakasika rehetra. Fantatra anefa fa am-polony eo ireo olona tena mifaningotra tamin’iny raharaha fakana an-keriny zanaka mpandraharaha fanta-daza nandritra ny tetezamita tany Maroantsetra sy manerana ny Nosy. Isan’izany ireo mpivady tompon-trano nahatratrarana an’i Arnaud Ramiliarison sy ny zanany vavy mpampisakafo azy, ilay mpaka an-keriny tratra tao an-trano niaraka tamina basy kalaky efatra sy bala 119, ilay mpitsara niasa teto Toamasina nampisy resa-be sy ilay ramatoa sakaizany efa fanta-daza amin’ny fikambanan-asan-jiolahy sy fakana an-keriny, ingahy Freddo sy Freddy izay efa nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana eran’ny Nosy, ny mpamilin’izy mianadahy nandritra ny fakana an-keriny, ary polisy sy mpandraharahan’ ny fonja ihany koa.

Nanaovana bizina. Vao nitranga ity fakana an-keriny ity 22 volana lasa ny 23 septambra 2015, teo ambony tetezan’i Tanambao Verrerie, dia nasaina nosahanin’ny zandary ny GSIS tao Antananarivo ny raharaha. Nandritra ny 50 andro vokatr’izany, dia nihorohoro ny mponin’i Toamasina noho ireo tondro molotra sy bizina be ary kolikoly avo lenta nataon’ireo zandarin’ny GSIS, izay niteraka fisamborana olona an-jatony nefa tsy nisy nahazoam-baovao na iray tao anatiny. Ireo ekipan’ny polisy miasa eto Toamasina ny tapaky ny volana janoary 2016 no nahafaka an’i Arnaud tao Andranomadio Parcelle 11/41 nanafenana azy farany raha ny fanazavana tamin’izay, izay tsy lavitra ihany koa ilay trano nahatrarana ilay fiara 4×4 nitondrana azy mianadahy nitsoaka. Nanomboka teo dia niova avokoa ny raharaha, sy niroso tamin’ny tena fanadihadiana nahazoam-bokatra ny raharaha izay nahasamborana tsikelikely amin’izay ireo atidoha sy ireo mpiray tendro rehetra.

Ankoatra izany araka ny angom-baovao hatrany, dia hivoaka handritra izao fitsarana afaka tapa-bolana eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava Antananarivo izao, ny marina rehetra mikasika ity raharaha ity, sy ny resaka fakana an-keriny mateti-pitranga teto amintsika tao anatin’ny tetezamita hatramin’izao. Mahalala tsara ity raharaha ity ihany koa ny sendikan’ny mpitsara malagasy…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires