• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Ambohibary-Sambaina : Nitangoronan’ny fokonolona nitaky fitsaram-bahoaka ny tobin’ny zandary

01/09/2017 05:59 © Moov

Tsy latsaky ny 200 ireo olona tonga nitangorona teo anoloan’ny paositry ny zandary ao Andranomadio, ny alarobia 29 aogositra teo. Vory teo izy ireo mba hitaky ny hamotsorana lehilahy roa voarohirohy noho ny resaka doro trano sy ny hanomezana azy ireo olona telo mianaka ampangain’izy ireo ho nangalatra ka tsy maintsy hanaovana fitsaram-bahoaka.

Avy any amin’ny tanàna atao hoe Andranokely, 15 km avaratra andrefan’Ambohibary, renivohitry ny kaominina ireto fokonolona ireto ary efa saika nanao fitsaram-bahoaka lehilahy lehibe iray 67 taona izay mpandroaka sarety no asany, ny sabotsy 26 aogositra lasa teo. Nampangaina ho nangalatra vary ity lehilahy ity tamin’izay. Nitranga izany rehefa nitondra vary 4 gony hototoina tamin’ny saretiny ity lehilahy ity sy ny zanany io sabotsy io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Nisy nanakana anefa izy mianaka rehefa nandeha 3 km niala an’Andranokely. Ary nolazaina fa vary halatra no nentiny ka tsy maintsy entina miverina any amin’ny tompony any an-tanàna ilay vary. Nilaza anefa ilay rangahy fa tsy azy io vary io fa an’izany Radista izany fa mpiakarama fotsiny izy mitondra izany. Noho izany, nanaiky ny hitondra ny entana hiverina izy, saingy nitaky kosa ny hanefanany saran-dalana efa nataony. Nony tonga tao an-tanàna dia avy dia niantso vahoaka ilay vehivavy nilaza ho tompon’ilay vary ka vory ny olona. Tsy afa-nihetsika intsony ilay rangahy ka nosamborin’ny olona. Ilay zanany kosa tafaporitsaka. Ny tolakandron’io dia nentin’ireto fokonolona hatao fitsaram-bahoaka ilay rangahy. Tonga haingana teo an-toerana anefa ny zandary nanavotra io rangahy io ary nitondra azy tany amin’ny paositry ny zandarimaria.

Hatolotra ny Fitsarana. Tsy nitsahatra hatreo ny raharaha fa nandeha tany an-tranon’ny zanak’ity rangahy lahy iray hafa indray ireto olona mba hisambotra ity farany, satria hono mpangalatra koa io. Nony tonga teo izy ireo dia nasain’izy ireo nivoaka ny vady aman-janak’ilay lehilahy fa hodorana velona ao an-tranony hono ilay io. Dia nodorana tokoa ny trano. Tsy may tao anefa ity raim-pianakaviana ity fa nahita lalana nivoahana avy tao andamosin’ilay trano ary nadehana nitolo-tena tany amin’ny zandary niaraka tamin’ilay rahalahiny tafatsoaka tamin’ilay tsy voasambotry ny fokonolona tamin-drainy. Ny alahady 27 aogosira anefa dia nametraka fitoriana azy mianaka tao amin’ny zandary ilay ramatoa milaza fa tompon’ny vary. Mba nametraka fitoriana ihany koa ilay lehilahy nodorana trano ka lehilahy roa, izay voalaza fa nitarika ny fokonolona hanao izany, no nosamborin’ny zandary. Ny alarobia teo anefa, olona efa ho telonjato no tonga teny amin’ny tobin’ny zandary hitaky ny hamotsorana ireo roa lahy nosamborina noho ny doro trano satria tsy meloka hono ireo fa ny fokonolona no nanao ny fandorana. Nitaky ihany koa izy ireo ny hanolorana azy telo mianaka mba hanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky izany anefa ny lehiben’ny zandary teo an-toerana izay nilaza fa efa eo am-pelatanan’izy ireo ity raharaha ity ary efa misy ny fitoriana ka tsy maintsy hatao ny famontorana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha. Naharitra antsasakadiny teo ho eo ny roa tonta no nifampiziriziry ary tsy nitsahatra izany raha tsy niditra an-tsehatra mihitsy ny ben’ny tanàna nampitony ireto vahoaka ary nitondra azy ireo tany amin’ny lapan’ny tanàna. Hatreto dia mbola tazonina ao amin’ny zandary izy dimy mirahalahy mianaka ireto rehefa nahazo fanalavam-potoana ny fihazonana azy. Mbola karohina mantsy ilay Radista izay voalaza fa nanakarama ilay mpitondra sarety. Ity farany izay toa tsy noresahin’ireo fokonolona mihitsy tao anatin’ity raharaha ity.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires