• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Jirama : Halatra avo lenta ao amin’ny fanaovana faktiora

30/08/2017 06:00 © Moov

Tsy vitsy ny mpanjifa no voatery mandoa vola be mihoatra ny tokony ho izy rehefa mandoha faktioran-jiro eny amin’ny Jirama.

Ny fanazava omen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity anefa dia tsotra toy ny hoe : nanao fandaniana be ianareo tamin’io volana io. Tsy hisy angamba ny fitarainana raha izay tokoa no izy. Saingy, matetika ny mampikaikaika ny mpanjifa dia ity Jirama mailaka dia mailaka ery hanapaka ny jiro na ny rano raha vao tara kely ny fandoavana ny faktiora, izay mazana tsy avy amin’ny mpanjifa mihitsy no mahatonga izany. Antony iray tsy azo lavina ity tranga manaraka ity. Tato anatin’ny roa volana izao, tsy nandray faktiora milaza ny herinaratra laniny mihitsy ny tokan-trano iray fa hofana kaontera fotsiny no voalaza ao anatin’izany taratasy izany. Ny mahagaga anefa, tonga manao fanamarinana na “relevé” ihany ireo mpiasan’ny Jirama. Rehefa mitranga anefa ny toy izany, raha araka ny fitarainana voaray dia atambatry ny Jirama ho faktiora volana iray ny lany rehetra nandritra ny volana maro maro tsy notakiany teo aloha. Vokany, midangana be ilay faktiora satria tsy voahaja intsony ilay fomba fikajiana ataon’ny Jirama mizara ho “tranche” roa ny vidin’ny herinaratra lany ka ny “tranche” voalohany (hatramin’ny 25KW) dia ambany kokoa ny vidiny KW noho ny tranche faharoa. Izany dia midika fa raha mandany mihoatra ny 25 KW isam-bolana ilay olona dia lasa “tranche” faharoa daholo ny fandaniana amin’ny volana rehetra manaraka izay lasa trosa. Manoloana izany ary, tonga nanao fitarainana tao amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama Ambatonakanga ity mpanjifa iray ity, ary nitondra ireo porofo rehetra tany am-pelatanany.

Halatra avo lenta. Nambaran’ny tao amin’ny Jirama anefa fa mitranga io olana io satria mety nivantana trano tsy misy olona ilay mpiasan’ny tonga nanao “relevé”. Tsy marina izany, hoy ilay mpanjifa, satria toerana iray no misy ny kaonterany sy ny an’ny mpifanolo-bodirindrina aminy ka tokony ho hitan’izay mpiasa tonga manao izany fizahana izany daholo ireo. Ny an’io mpifanolo-bodirindrina aminy io anefa ara-dalàna tsara ny faktiora azony ary voalaza mazava ao ny fandaniana tokony haloany amin’ny volana iray. Nisy porofo naseho mihitsy tamin’izany. Rehefa nangataka ny hanitsina ny faktiorany amin’ny tokony halohany amin’ny fandaniany tamin’ilay volana nandraisany faktiora tsy ampy izy dia nanda izany ilay tompon’nadraikitra ka nilaza fa sarotra be izany. Tsy maintsy mbola miakatra any amin’ny tale jeneraly, fa andraso aloha rehefa tonga ny faktiora manaraka dia amin’izay ianao no mitondra azy any amin’ny “service recouvrement”, hoy ny valinteny azon’ity mpitaraina. Ireo mpiasa mpanao “relevé” ve no tsy manao ny asany araka izay tokony ho izy ? Sao iniana atao izao zavatra izao mba entina hamenoana izay lavaka vokatry ny fitantanana tsy mahomby ao amin’ny Jirama ao ka ny mpanjifa no atao hisolo vaika ny ankalana ?

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires