• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Raharaha Nadine Ramaroson : Mikatso ao amin’ny fitsarana Toamasina ny dosie

28/08/2017 06:17 © Moov

Feno enin-taona omaly alahady ny nahafatesan-dRtoa Nadine Ramaroson, minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny vehivavy, tamin’ny fitondrana tetezamita.

Nisy noho izany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana sy fanomezana fanampiana ny mponina tao Sonierana Ivongo, indrindra ireo fianakaviana nanao ny fanavotana ireo niharam-boina rehetra nandritra ilay loza an-dranomasina, nahazo ity minisitra ity sy ireo mpiara-miasa aminy enin-taona lasa izay. Ny fianakaviany izay notarihan-dRtoa Danick Ramaroson izay mandimby ny asa soa fanaon’ity rahavaviny ity no nitarika ny lanonana rehetra tao Soanerana Ivongo nitrangan’ny loza tamin’izay fotoana izay; ary notron’ireo mpiara-miasa fahiny tamin’ny ramatoa minisitra sy ireo mpiasan’ny orinasa “Savonnerie Tropicale” ary ireo olom-panjakana sy olom-boafidy tao Soanierana Ivongo sy Fenoarivo atsinanana ary ny faritra Analanjirofo. Nandritra ny lahateniny dia mbola mihazona ny famonoana ny havany ny fianakaviana Ramaroson tamin’ity raharaha nahafaty ny minisitra Nadine Ramaroson ity; manao antso avo hatrany koa izy ireo ny famoahana ny marina amin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha, sy ny fitsarana ny antontan-taratasy efa eny amin’ny fitsarana Toamasina efa ho enin-taona izao izay mbola tsy misy valiny hatramn’izao.

Vavalapasy. Raha hiverenana mantsy ny tantara, dia avy namonjy fety tao Sainte-Marie ny minisitra Nadine Ramaroson sy ireo mpiara-miasa taminy ary mpanao gazety. Nilamina ny dia tamin’ny nandroso, saingy tamin’ny fiverenana dia izao nitranga izao ny lozan-dranomasina amin’ny “vavalapasy”-n’I Soanierana Ivongo. Nivadika ny vedety nandehanan’izy ireo ka samy nanavotra ny ainy, taorian’izay anefa dia nipoaka izany ka ity fipoahana ity no voalaza fa tena nahafaty ny minisitra Nadine Ramaroson, noho izy tavela tao ambanin’ilay vedety niongana. Maro ny fanadihadiana nataon’ny fitondrana tetezamita, toy izany koa ny anaran’olona voatonontonona fa mpiray tendro tamin’ny famonoana azy; izay voalaza fa mifaningotra tamin’ny resaka andramena sy trafika ny harem-pirenena ny raharaha izay tena nenjehin’ity minisitra ity tamin’ny asany. Hatreto anefa dia mijanona ho resa-be avokoa izany, satria tsy miroso mihitsy ny fisahanana ny raharaha na eo anivon’ny fanjakana amin’ny maha-minisitra maty am-perinasa azy, na eo anivon’ny fitsarana eto Toamasina. Mino ireo fianakaviany sy ireo mpiara-miasa taminy fahiny ary ny Malagasy manontolo, fa hisy tohiny amin’izay iny raharaha nahafaty an-dRtoa Nadine Ramaroson iny, aorian’izao tsingerin-taona faha-06 nahatsiarovana ny nahafatesany sy ireo namany izao…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires