• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Analakely : Mpanamboatra finday telo nosamborin’ny BC

25/08/2017 06:25 © Moov

Olona telo : vehivavy iray sy lehilahy roa ; izay samy misehatra amin’ny fanamboarana finday no nosamborin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, tetsy Anosy, ny herinandro teo teny Analakely.

Raha ny fanazavana azo dia voarohirohy amin’ny resaka fanovana IMEI, na ny laharan-tokana hahafahana mamantatra ny finday tsirairay, ireto olona ireto. Nangonina niaraka taminy ihany koa ny fitaovana maromaro, toy ny : solosaina fentin-tanana, « disques durs » maromaro, izany « dongles » izany na fitaovana manokana fitsirihana tambajotra ary finday maromaro. Ity fidinana tampoka ity no nataon’izy ireo, dia noho ny fanangom-baovao nataon’ireo pôlisy fa misy olona afaka manova ity laharana « Imei »-n’ny finday ity eny Analakely. Ary izany dia noho ny fahatsapana ihany koa fa « nihasarotra ny fikarohana ireo jiolahy tamin’ny alàlan’ny fanaraha-maso ny antso, ny toerana ary ny ireo laharana finday » noho ny fisian’io fiovan’ny Imei io. Rehefa natao moa ny fitsirihana ireto fitaovana tratra ireto, dia fantatra tokoa araka ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana hatrany, fa « fitaovana sy « logiciels » afaka manova Imei tokoa ireo fitaovana tratra ireo ». Niaiky izany rahateo ireto olona telo voasambotra ireto. Ary tsy vitan’izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao fa mbola misehatra « amin’ny « flashage », izany hoe fanamboarana ny « micrologiciel » mampandeha ny finday ireto olona ireto, no mamaha ihany koa ny finday mihidy na « decodage » sy ny « deblocage » izy ireo ». Marihana raha ny nambaran’ireto mpisambotra ireto hatrany fa voararan’ny lalàna 2014-006, izay miompana amin’ny « Cybercriminalité » ny fanaovana izany rehetra izany ary mampitandrina ny tsirairay ireto mpitandro filaminana ireto.

Nahabe resaka ny maro ihany ity tranga ity. Toa miteny mantsy izao, raha hitarina kely, hoy ny hevitry ny olona, fa hoe tsy azo atao intsony ny manamboatra ny finday simba ka mila « flashage » ary raha sanatria ka hadino ny « code » amin’ny finday, dia efa atao veloma sy mampamangy ilay zava-tsarobidy izay mety ho novidina amina an-tapitrisany maro. Satria voarara ny fanaovana « decodage ». Ekena tokoa fa ilaina ny zavatra toy izao, hisorohana ny fiparitahan’ny hosoka sy ny hampihena ny fangalarana finday kanefa heverin’ny rehetra fa diso fipetraka ihany ny fepetra noraisina. Tokony ho zavatra hafa angamba no apetraka : ny haha-matihanina ireo mpanamboatra finday eo Analakely ; izay isan’ny manampy ny olona betsaka ohatra, ka hanamora ny fanaraha-maso ireo finday amboarina, ny fiaviany sy ny tompony, hoy izy ireo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires