• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fonjaben’Ambalatavoahangy : Zandary telo voarohirohy tamina resaka taolam-paty, nalefa MD

25/08/2017 06:16 © Moov

Mitohy hatrany, ireo zandary am-perinasa voarohirohy ao anatina raharaha ara-keloka miakatra fitsarana eto Toamasina.

Taorian’ilay zandary kilasy faharoa voalaza fa saika hivarotra basy kalaky tamina jiolahy sy nikotrika fanafihana mitam-piadiana niaraka tamin’ireo andian-jiolahy namany tao Tanambao V, ny talata teo, dia izao indray zandary telo lahy manana ny grady Adija sy kilasy faharoa ny roa indray no nampidirin’ny fitsarana am-ponja vonjimaika ny alarobia teo. Raha ny fanazavana azo, dia noho ilay resaka taolam-paty tao Maromitety Vavatenina farany teo no heloka anenjehana ireto zandary am-perinasa tao Fenerivo atsinanana ireto. Voalaza mantsy fa, nahazo vaovao taman’olona izy ireo ka nandeha nijery ity resaka taolam-paty ity, ka nandritra izany no nakan’izy telolahy vola tsy ara-dalana, 2.000.000 ariary, ho takalon’ny tsy fampidirana ny raharaha ara-pitsarana ho an’ireto mpibizina taolam-paty tao Maromitety ireto. Taty aoriana anefa, dia nahazo vaovao mifandraika tamin’izay koa ny polisy tao Vavatenina ka nisambotra ireto fianakaviana ireto niaraka tamin’ny taolam-paty iray gony 30 taolan-dava avokoa, ka ireto fianakaviana ireto nandritra ny fakana am-bavany azy no nanondro ireto zandary telo ireto ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo sy naka vola tamin’izy ireo tsy hanetsehana ny raharaha. Mangotraka noho izany ny eo anivon’ireo toby na zandary eto Toamasina sy ny any Fenerivo atsinanana ary ny any Vavatenina, fa lasa ataon’ny lehibeny hofana hatrany hakana laza amin’ny vahoaka sy ny fanjakana ny zandary Toamasina, hany ka tsy afaka manazava sy tsy manana ny marina intsony na manao ny ezaka rehetra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy fananany aza. Vokatr’ireo rehetra ireo, dia ahiana hipoaka anatin’ny toby ny olan’ny zandary eto Toamasina izao ity. Tao anatin’ity taona ity fotsiny mantsy, dia zandary 11 no voarohirohy ho mpandika lalàna sy nahavita heloka, ny iray efa voatsara nahazo 03 taona am-ponja sazy mihatra, ny efatra nahazo fahafana vonjimaika tamin’ny fitsarana, ny enina izany mbola miandry fitsarana am-ponja, izany hoe ny efatra tamin’izy ireo vao niditra ao Ambalatavoahangy ny talata sy ny alarobia teo…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires