• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Roi
Image
Vaovao

Fandrobana : Miantso fandraisana andraikitra haingana ny Holafitry ny farmasianina

26/09/2025 16:21 © Moov

Niharan’ny fandrobana sy fanimbana noho ny hetsika ny 25 septambra omaly ihany koa ny farmasia. Miisa telo izy ireo no tratra tamin’izany, teto Antananarivo, toy ny tao amin’ny Tana Water Front. Araka izany, namoaka fanambarana izy ireo, androany 26 septambra ary miantso fandraisana andraikitra hanoherana izany.

Ain’olona no vonjena

Zava-dehibe isaky ny firenena tsirairay ny fisian’ny farmasia. Ankoatra ireo olona izay miasa sy mivelona amin’izy ireny dia mamonjy ain’olona maro ny fivarotam-panafody. « Maro ny olona mivelona amin’izy ireny fa ambonin’izany dia aina no vonjen’izy ireny », hoy ny Holafitra tamin’io fanambarany io. Tamin’iny hetsika iny moa dia hita fa tsy hanavahan’ireo mpanao fihetsiketsehana intsony ny toerana robaina sy simbaina. Sarobidy anefa ny aina, ary ny iray minitra dia efa mikaonty amin’ireo manana marary. Ny fahasimbana samihafa anefa mety hiteraka fikatonana ka hanalavitra ny fisitrahana fanafody. Izany indrindra no ilaina vahaolana haingana.
Hoy hatrany ny Holafitra hoe « Miasa isan’andro ho an’ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny Malagasy tsy ankanavaka ny farmasia. Tsy tokony ho atao sorona ny toeram-pitsaboana sy ny fanafodintsika fa indrindra ny marary ».

Mila mahay maneho hevitra

Tao anatin’io fanambarana io dia niantso ny rehetra hahay haneho izay tena heviny ka tsy hampiasa ny herisetra ho fitaovam-piadina ity Holafitry ny Farmasianina ity. Isan’ny nohantitraterin’izy ireo ny tsy hanaovana io herisetra io, ho an'ny mpisehatra tsirairay. « Mangataka ny rehetra mba hahay haneho hevitra, hanohitra ny herisetra sy ny fanararaotana ». « Mbola miantso ihany koa ny mpitandro ny filaminana mba hitazona ny andraikitra voalohany sahanin’izy ireo dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany », hoy hatrany ny Holafitra. Izany hafatra izany moa dia azo heverina ho natao mba ho fitsinjovana ny filaminana ary fiarovana ny fotodrafitrasa samihafa fa tsy ny azy ireo ireny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires