• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena-Malagasy
Image
Vaovao

Ady amin’ny famarinana olombelona : Olona 5 mpisandoka ho mpandefa mpiasa mankany ivelany nidoboka am-ponja

25/08/2025 15:21 © Moov

Olona miisa 2, no voafitaka tamina tolotr’asa mankany Maurice ka nangatahana vola be ho saran’izany. Nametraka fitoriana teo anivon'ny sampan-draharahara misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin'ny hosoka eo anivon’ny Polisimpirenena izy ireo ny 31 Jolay lasa teo. Nisy ny fikarohana ka olona 5 nidoboka am-ponja vonjimaika.

Taratasy hosoka

Vola mitentina hatramin’ny 8 000 000 ariary no nangatahina tamin’ireo vehivavy ireo kanefa rehefa nojerena dia antontan-taratasy hosoka avokoa no natolotr'ireo mpisandoka, hatramin'ny tapakila ho an’ny fiaramanidina. Etsy ankilany dia mampiasa karazana karapanondro hosoka ireto olon-dratsy ireto hanatanterahana ny asa ratsiny, ary izy ireo avoko no mandray an-tanana ny fanaovana ny antontan-taratasy rehetra ilaina ny amin'ny fandehanana miasa. Ao anatin’izany ny « bulletin n°3 », Kopia lava, ny Soratra an-tsisiny, fanamarinam-ponenana, fanomezan-dalana avy amin’ny raiamandreny, soram-piankohonana, fanamarinana amin’ny asa, fizaham-pahasalamàna, diplaoma, miampy taratasy hosoka maro samihafa.
Fantatra fa 3 tapitrisa Ariary ka hatramin'ny 10 tapitrisa Ariary no alain'izy ireo amin'ny olona izay maniry hiasa any ivelany. Misy ireo misedra fahasahiranana goavana rehefa tonga any satria taratasy hosoka avokoa no entin'izy ireo nivoaka. Betsaka ihany koa ireo voasoloky tsy afaka nivoaka mihitsy satria hatramin'ny tapakilan’ny fiaramanidina dia hosoka avokoa.

Fanadihadiana maharitra

Nandritra ny 15 andro teo ho eo no nanaovana ny fanadihadiana ka nahatrarana ireto mpanao hosoka ireto. Voasambotra ny 1 Aogositra ny olona 4 mpiray tsikombakomba tamin'ireo mpanao hosoka ka taratasy hosoka maro be no tratra tany amin’izy ireo. Hita tamin’izany ohatra ny Kopian’ny soram-pahaterahana hosoka miisa 49, karapanondro hosoka miisa 6, valin’ny fizahàna ara-pahasalamàna hosoka miisa 12 sy taratasim-pokontany hosoka maro hafa. Niaiky moa izy ireto fa hosoka avokoa ireo taratasy ireo ka nanoro ny tompon’antoka amin’ny famoronana ny hosoka izy ireo.
Rehefa izany dia tratra ireo olona roa tompon’antoka voalohany amin'ny fanaovana ireo taratasy hosoka, ny 16 Aogositra 2025. Nandritra ny fisavàna dia hita tao an-tranon'ireto farany indray ny fitombokase hosoka miisa 112 izay amin'ny anarana sampan-draharahampanjakana maro, toy ny ratsa-mangaikan'ny Ministeran'ny Fitsarana (9 isa), Ministeran'ny Raharaham-bahiny (3 isa) Minisiteran' atitany sy ny Fanapariaham-pahefana (74 isa) ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka (15 isa) ary fitombaka sampan-draharahara tsy miankina (11 isa).
Miantso fahamailoana ny Polisim-pirenena satria tamin’ity taona 2025 ity dia fitarainana miisa 30 mahakasika tranga fisolokiana amin'ny resaka fandefasana mpiasa mankany ivelany no voarain'izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires