Bazar de la SADC : Tranoeva 200 hampirantiana ny vokatra Malagasy
Misongadina ny vokatra "Made in Madagascar" amin'izao fihaonana an-tampon'ny SADC eto amin'ny Nosy izao.
Fampiroboroboana ny ekonomia sy ny kolontsaina
400 taptrisa no harinkarena eo anivon'ny SADC, ka 15% amin'izany dia azo avy amin'ny fizahantany sy ny asa tanana. Tsy ekonomia ihany nefa ireo vokatra vita Malagasy, fa vokasika ihany koa ny kolontsaina. Amin'ny ankapobeny mantsy, vokatry ny fahaiza-manaon'ireo razambe tany aloha, isaky ny foko na isam-paritra, no hahavitana ireo karazana asa tanana na sakafo. Hita ao an-toerana ny karazana firavaka, fitafiana, haingon-trano, sns. Mampiranty ny fahaiza-manaony ihany koa ireo mpikarakara sakafo Malagasy : Koba, sosisy, hena maina, voankazo maina, vatomamy hafakely, sns.
Maharitra 5 andro moa ny hetsika fampirantiana, izay misokatra ho an'ny rehetra. Manodidina ny 300 ireo tranoeva. Ho fanamboarana ny fitsidihana, misy ny "navette" hitatitra maimaimpoana, miainga eo amin'ny Sary Vorona, sampanan'i Tsarasaotra.
Fanokafana ny Gallerie ENARA
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Parc d'Exposition International ENARA. Eny amin'ny Lac Iarivo Ivato no misy azy, manakaiky ny "Rond-Point" mizotra mankany amin'ny Lalambe Migodana (Autoroute). Manarapenitra io trano lehibe io, izay ampiasaina hanehoana ny talentan'ireo Malagasy. 4 volana monja moa no nanatanterahana ny asa, ary mbola mitohy izany mandra-pahavitan'ny pitsopitsony rehetra eo amin'ny fiantsonana sy ny zaridaina. Reharehan'i Madagasikara ny fananana toerana raitra hahafahana mandray hetsika nasionaly sy iraisam-pirenena toy izao.