• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Fim Diosezin'Antananarivo
Image
Vaovao

Skoto zazavavy katôlika : Hanatanteraka lasy Nasiônaly any Ambanja

06/08/2025 16:25 © Moov.Mg

Taorian’ny fotoana maro tsy nanatanterahan’ny skoto zazavavy katôlika, na ny Fanilon’i Madagasikara, lasy nasiônaly, dia hiverina indray izany. Ho an’ity taona ity dia any Ambanja, Faritra DIANA, no hanatontosana izany, ny 17 ka hatramin'ny 23 aogositra 2025 ho avy izao.

Fikambanana skotisma mijoro eo anivon’ny fiangonana katôlika rômana eto Madagasikara ny Fanilon’i Madagasikara, izay manana tanjona ny hitondra fanabeazana feno ho an’ny ankizivavy sy ny tovovavy malagasy. Foto-panabeazana fototra miisa dimy no omen’ny fikambanana : ny fikatsahana an’Andriamanitra, ny fahakingana, ny fahasalamana, ny fitiavan-tanindrazana, ary ny fampivoarana. Fomba iray entina manamafy izany fanabeazana izany ny fiainana an-dasy. Ny Lasy Fihavanana izay natao tany Sadabe no niarahan’ny Fanilo rehetra manerana an’i Madagasikara farany, efa taona maromaro lasa izay.

Fiainana an-dasy feno fifaliana

“Lasy Fanantenana” no anarana nampitondraina ity lasy lehibe hotanterahina any amin’ny Diôsezin’Ambanja ity, izay hosokafana amin’ny fomba ôfisialy, amin’ny alalan’ny lamesa, ny 18 aogositra 2025, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Ity lasa ity dia « manamarika fiandohana vaovao ho an’ny fiainan’ny fikambanana sy ny ezaka hamelomana indray ny fiainam-panahy maha skoto amin’ny alalan’ny lasy », hoy ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara. Ny sampana rehetra eo anivon’ny fikambanana, izany hoe : ireo zazavavy sy tovovavy izay efa nandray fanabeazana Fanilo, fara-fahakeliny nandritra ny herintaona, no afaka mandray anjara amin’ny lasy. « Mandritra ny herinandro dia hiaina fiainana an-dasy feno fifaliana ireo mpandray anjara : fotoam-bavaka, kilalao, fampiofanana, alam-pandinihana, fiainana anaty natiora, fandraisana andraikitra, ary fifankatiavana no hanamarika izany », hoy ny fanazavana.

Fanabeazana zazavavy ho olom-banona

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara dia efa voalamina avokoa ny lafiny ara-piarovana sy ara-pahasalamana, hahafahana miatrika ny lasy am-pilaminana. Hisy ekipa mpitsabo eny an-toerana, fa tsy maintsy manao fanaraha-maso ara-pahasalamana ho an’ny ankizy beazina tsirairay kosa ny isam-pivondronana. Ny isam-pivondronana ihany koa no samy mikarakara ny lafiny fitaterana, mba ho araka ny fenitra sy azo antoka.
Tanjona ny hanabe zazavavy ho olombanona, matotra, manana fitokisana amin’ny tenany, vonona hanompo, ho tia Tanindrazana, ary vonona hanampy ny hafa.

Lire la suite

Articles Similaires