Ceasar, mpanakanto : « Tsy maintsy mandalo ady sarotra vao tafita »
Mety tsy fantatrao angamba hoe : iza izany Rinary Ricard izany, saingy raha ny anarana amin’ny maha-mpanakanto azy : « Ceasar » kosa, dia vitsy ihany no tsy mahalala azy. Mpihira isan’ireo be mpankafy amin'izao fotoana tokoa raha i Ceasar. Ny mombamomba azy no ampahafantarina anao mpamaky androany.
Ceasar, anaram-petaka
Lehibe tany Taolagnaro ny tovolahy, fa tany Toamasina kosa izy no nanohy ny fianarany, teny amin’ny ambaratonga ambony. Amin’izao fotona izao moa izy dia eto Antananarivo no monina. Tsy anarany ao anaty kôpia nahaterahana akory ny hoe : « Ceasar », fa anaram-petaka, fianianian’ny ankizy taminy, fony izy mbola mpianatry ny lisea. « Nosafidiako io anarana io taty aoriana, mba hanaporofoako amin’izy ireo fa zakako ny vazivazy ary tsy mahasakana ny lalako tsy hazava ny fandrabirabiana ahy », hoy ny fanazavany.
Nalaza tampoka
Tia mozika efa hatry ny fony kely i Ceasar. 12 taona izy dia efa nihirahira teny an-tanàna teny, araka ny fitantarany. Fa tany amin’ny tranon’ny mpianatra, tao Barikadimy, no tena niantomboka ny fidirany teo amin’ny sehatry ny kanto. « Namoaka hira iray aho, mitondra ny lohateny hoe : « Repela ». Nalaza be tao amin’ny « cité » nipetrahanay io hira io, izay tsy nampoiziko. Nanomboka teo aho no tapa-kevitra hiditra eo amin’ny sehatry ny matianina ». Tamin’ny taona 2019 no niditra trano fandraisam-peo i Ceasar, ary nanomboka teo, hatramin’izao, dia tsy nitsaha-nitombo ireo mpankafy azy.
Hira mampahery
« Afro love » sy « afro motivation » no anasokajian’i Ceasar ny gadon-kirany. Sady miresaka fitiavana mantsy ny tononkirany, no mandrisika ny mpihaino mba haharitra ihany koa, manoloana ny adim-piainana. « Tiako ny manome hery ny mpankafy, fa tsy maintsy mandalo ady sarotra vao tafita », hoy izy. Isan’ny hira ao anatin’izany sokajin’ny « afro motivation » izany, ohatra, ny « mila vola » sy « paradisa ». Nanamafy rahateo izy fa tsy misy zavatra azo mora izany, fa raha mora no nahazoana azy dia mety tsy maharitra izy izay, na tsy tena izy (vrai).
Tso-piaina
Fa na eo aza izay lazan’i Ceasar izay, dia tsy nanova ny toetrany sy ny fahazarany izany, araka ny nambarany. « Tso-piainana aho, tia mifandray amin’olona, ary nandalo fahasahiranana ihany koa, ka tsy amin’izao mihitsy aho no hiavonavona ». Araka izany, mety hahita an’i Ceasar mihinana « composé » eny an-dalana eny isika, fa tsy mametraka olana aminy mihitsy izany, hoy izy.