• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Tontolon’ny jono : Naka traikefa amin’ny sehatry ny fihariana anaty rano any Chine ny Malagasy

31/07/2025 16:09 © Moov

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha ho fampiroboroboana ny sehatry ny fihariana anaty rano ho an’ireo firenena Afrikanina miteny frantsay, ny Malagasy. Tany Jiangsu, Chine, no nanatanterahana izany, ny 11 hatramin’ny 31 jolay.

Naka fahalalana hanatsarana ny jono eto Madagasikara

Nandefa solontena efatra tamin’izany ny Firenena malagasy tamin’ny alalan’ ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny FFRC (Freshwater Fisheries Reaserch Center) no niantsoroka ny fampianarana, ny fizarana traikefa ary ny fifanakalozana nandritra ny fikaonan-doha. Ny FFRC dia ivon-toerana, lehibe ao Chine, entina hampivoarana ny sehatry ny jono sy ny fihariana anaty rano any an-toerana. Manatanteraka fikarohana sy fampiharana samihafa ary manao ireo andrana isan-karazany, indrindra amin’ny fampiasana teknolojia izy ireo.
Nandritra ireo 21 andro nijanonan’ireo solon-tena rehetra tany dia nahita ny ambaindain’ny fikarohana izay efa vita ao Chine, izy ireo. Hitondra izay afaka hanatsarana ny antsika eto Madagasikara izy ireo, aorian’izany. Samy nahatsikaritra ireo mpandray anjara fa efa lasa alavitra ry zareo Sinoa eo amin’ny sehatry ny famokarana anaty rano sy ny jono ; kanefa azo tanterahina tsara eto Madagasikara izany. Araka izany, samy resy lahatra fa afaka hampivoarina, sy afaka hampidi-bola betsaka ny fihariana anaty rano, eto. Madagasikara rahateo dia manan-karena amin’ny rano. Manana sisin-tany mirefy 5 603 km, 155 000 Ha ny farihy, ary maherin’ny 9 000km ny ranirano.

Firenena miisa 5 avy aty Afrika

Ankoatra an’i Madagasikara dia firenena 4 hafa avy aty Afrika ihany koa, no nandray anjara tamin’ny fifampizarana. Nahitana an’i Bénin, République Centre Afrique, Congo ary i Gabon. Nisy ny fampahafantarana isaky ny Firenena tsirairay avy ny sehatry ny Jono amin’ny endriny rehetra ka nisongadina ny firenena Malagasy. Tsikaritr'ireo namana hafa fa efa mihoatra lavitra noho izy ireo eo amin’ny sehatry ny famokarana anaty rano sy ny jono.
Marihina fa ny Tale Jeneraly lefitra teo anivon’ny FFRC no nanokatra sy nanakatona tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana. Samy nanantena ireo mpandray anjara ny amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa Sino-Afrique eo amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny Jono amin’ny endriny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires