Famokarana : Nitombo ny vokatra lavanila maitso tao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro lasa teo ny taom-piotazana sy fivarotana ny lavanila maitso ao anatin' ny Faritra Atsimo Atsinanana. Ny zoma 11 jolay no nanatanterahana izany tao amin' ny renivohitry ny Kaominina Ambanivohitr'i Vohitromby, Distrikan'i Farafangana.
Tsara ny vokatra
Hatramin’ny taona 2024 dia azo lazaina ho tsara hatrany ny vokatra tamin’ity voly fanondrana ity. Raha ny nambaran’ireo Tompon’andraikitra dia tsara dia tsara ny kalitao, ary nitombo ihany koa ny vokatra tamin' ity taom-piotazana ity. Marihina moa fa isan’ny voly ahitana mpisehatra maro anatin’io faritra io ny lavanila. Isan’ny voly mampidi-bola betsaka amin’ireo mponina ihany koa izy.
Izany indrindra no hiantsoan’izy ireo mpividy vokatra, mba ho tonga any amin' ny Faritra. Nomarihina nandritra io lanonana io ihany koa fa efa nasiana lamina ny fanamorana ny fifanakalozana, na eo amin' ny lafiny fiantohana ny fandriam-pahalemana, na ny kalitao sy ny fitsinjovana ny rehetra amin' ny vidim-bokatra. " Tery omby ririnina izany ka ataontsika ny sady tsy hahafaty ny reniny, no tsy hamono ny zanany ", hoy ny fanazavana.
Dinidinika nanatsarana ny sehatra
Nandritra io andro io dia nisy ihany koa dinidinika hanatsarana bebe kokoa io sehatra io. Voaresaka tao anatin’izany ireo fomba hanatsarana ny kalitao sy ny fomba hanamorana ny famoaham-bokatra.
Nandray anjara tamin’izany ny Prefekitiora, ireo "Assistant Parlemantaire ", izay an’'ireo Solombavambahoaka sy Loholona. Teo ihany koa ny fiadidian' ny Kaominina mpampiantrano, ny Fitalevam-paritry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Zandarimaria ao amin' ny Faritra, ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria, ny mpiara-miombona antoka toy ny Komitim-Paritry ny Lavanila, ny PIC-3, ny GIZ# PRADA. Tsy ambakan’izany ihany koa ireo mpividy vokatra toy ny Orinasa BIONEX avy any Fianarantsoa, ary indrindra ireo mpamboly amin' io sehatra io ary ireo Ampanjaka sy ny Olobe ao an-tanàna ary ny Vahoaka.
Hatreto anefa ireo mpamboly dia mbola miandry ny famerana ny vidin’ity vokatra mampiavaka an’i Madagasikara, ity, mba hanatsarany ny fiainany.