• Cours de change
  • 5112.33 AR
  • |
  • $4413.43 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Famatsiana : Efa vita ireo lavadrano miisa 13 amin’ireo 35 ho amboarina eto Antananarivo

10/07/2025 10:45 © Moov

Mandroso ny asa fananganana ireo lavadrano entina hamenoana ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Miisa 35 izy ireo ary miisa 13 no efa nanaovana fandraisana ara-teknika.

Mitohy ny asa

Tanjona amin’ity asa ity ny hanome vahaolana maharitra amin’ny tsy fahampian-drano sy hanatsara ny sehatry ny fanadiovana ho an’ny mponina. Ireto lavadrano miisa 35 ireto raha tsiahivina entina hanampy ny famatsiana rano. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 25 Septambra 2024, ny fananganana azy. Amin’izao fotoana izao dia efa miasa ny 13. Izay hita ao Antanimora – Ampasanimalo, Ambolokandrina 5A, Ambohipo Tanàna Ampahateza, Andraisoro, Ankerana – Ankadindramamy, Nanisana – Iadiambola, Bemasoandro, Andranonahoatra, Ambodifasika, Amboatavo, Antanjona, Anjanandrambony, Atsimombohitra.
Etsy ankilany dia mbola mitohy ny asa amin’ireo toerana hafa. Ao anatin’izany ny eny Ampahibato – Secteur 5, Ambohimarina, Ampahibato – Secteur 4, Mahitsy, Miadana, Manandriana, Ambatofotsy, Antsahafohy, Farahindra, Ampiriaka, Andringitana, Ambatolampy Avaratra ary Mahitsy.

Fotodrafitrasa ilaina

Raha ny fanazavana avy amin’ny orinasa JIRAMA, dia ahitana tsy fahampiana 100.000m3 ny famokaran'ny tambazotran'ny rano amin'ireo faritra efatra ireo ankehitriny. Ity ezaka fametrahana lavadrano ity araka izany dia hanampy hatramin’ny 700m3 amin’ny famatsiana rano. Afaka hamaha amin’ny ampahany ny olan’ny rano izany. Araka izany, tsy voatery hiantehatra betsaka amin’ny ranon’ny orinasa JIRAMA ny mponina fa afaka hisitraka rano amin’ny alalan’ireto fotodrafitrasa ireto.
Raha tsiahivina dia lavadrano miisa 07 no hapetraka eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 14 ho an’Antananarivo Atsimondrano. Miisa 07 avy kosa ho an’Avaradrano sy Ambohidratrimo. Tapaka nandritra io filan-kevitry ny Minisitra io ihany koa fa mitentina 4.995.019.000 Ariary ny teti-bidin’ireo asa ireo. Etsy andaniny araka izany dia mponina manodidina ny 24 500 no hisitraka izany famatsian-drano izany.

Lire la suite

Articles Similaires