Harona plastika manify : Mbola ampiasain’ny Malagasy maro, na voararan’ny lalàna aza
Araka ny fanadihadiana dia plastika avokoa ny 10%-n’ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina eo ho eo isan-taona. Tafiditra ao anatin’izany ireo harona vita amin’ny plastika, izay mbola ampiasain’ny Malagasy maro amin’ny andavanandro, na dia efa voararan’ny lalàna aza. Marihina androany 3 jolay 2025 ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tsy fampiasana harona plastika.
Harona plastika latsaky ny « 50 microns »
Isan-taona dia fako manodidina ny 2,1 lavitrisa taonina no vokarin’ny zanak’olombelona manerana izao tontolo izao. Ny 11% amin'ireo dia plastika avokoa. Mba ho fampihenana ny fandotoana am’n'ny plastika eto Madagasikara, dia navoaka ny Didim-panjakana laharana 2017-010 tamin’ny 3 janoary 2017, izay mandrara ny famokarana, fampidirana ary famarotana sy ny fampiasana ny harona plastika, ka ireo harona plastika latsaky ny « 50 microns », izay raha tsotsorina dia ireo harona plastika manify, no voakasik’izany.
Fitaovana tena miasa be eto Madagasikara ny harona plastika. Fitondra miantsena mahazatra izy, ary fampiasan’ireo mpivarotra isan-karazany hamonosana entana. Na ireo mividy menaka antsinjarany aza, dia misy mampiasa azy rehefa tsy mitondra tavoahangy. Olana amin’ny fampiasana ny harona plastika anefa, izy mora rovitra, izany hoe : tsy azo averina ampiasaina intsony. Mora manidina ihany koa izy, ka tsofin’ny rivotra eny rehetra eny. Mit arika fandotoana ny tany, ny rano, sy ny rivotra izany. Tsiahivina anefa, fa tsy mety levona ny plastika raha tsy anjato taonany.
Vahaolana : harona vita amin’ny akora natoraly
Hatreto aloha, dia tsy tena misy ny fampiharana hentitra ny lalàna momba ny tsy tokony ampiasana ny harona plastika eto Madagasikara. Miankina amin’ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay, araka izany, ny fanarahana ity Didim-panjakana ity.
Misy anefa ny vahaolana, toy ny fampiasana ireo harona vita amin’ny akora natoraly izay vokarina eto an-toerana, toy ny tsihy sy ny rofia. Maharitra izy ireny ka tsy voatery soloina matetika. Etsy an-daniny, manampy amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana ny fironana amin’ny vokatra vita malagasy. Raha toa kosa ka tsy maintsy hampiasa harona plastika, dia ara-dalàna sady manaja ny tontolo iainana, ny fampiasana harona plastika matevina, izay azo iverenana ampiasaina. Sasana tsara no fanaovana azy, amainina, ampirimina ary avoaka amin’ny fotoana ilàna azy. Mampihena ny fako plastika mivangongo sy mandoto ny fahavarana amin’izany fahazarana izany.