Majunga en fête 2025 : Hanombohana ireo hetsiky ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra
Anisan’ny toerana mahasarika mpiala sasatra i Mahajanga ary toerana fikarakaran’ireo mpitady vola hetsika ihany koa rehefa fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 19 jolay izao ny « Majunga en fête », entina hanombohana ireo hetsika samihafa.
Hetsika maro isan-karazany
Ny Ofisim-paritry ny fizahan-tany ao Mahajanga no mikarakara ity hetsika ity, miaraka amin’ireo mpisehatra amin’ny lafiny fizahantany samihafa. Ho hita mandritra izany avokoa ny karazana hetsika mikasika ny sakafo, fialam-boly, mozika ary indrindra ny fizahantany. Hanombohana izany ny famelabelaran-kevitra, nampitondraina ny lohahevitra hoe « ny fizahantany sy ny jono », ny 11 jolay. Ny tolakandro kosa dia hiara-hientana ny rehetra hanadio ny moron-dranomasina eny amin’ny Village Touristique.
Manaraka izany, ary efa andrasan’ny maro ihany koa ny Lomay be izay dia an-tongotra amin’ny halaviran-dalana 5km, ny hazakazaka ao anatin’ny halaviran-dalana 5km ihany koa ary ny zumba. Hitohy amin’ny fifaninana hazakazaka ho an’ireo mpandroso sakafo (garçons de café) izany. Ireo rehetra ireo izay efa nahasarika mpandray anjara maro hatrany.
Fampiroboroboana ny sehatry ny jono
Isan’ny faritany iray mpamokatra trondro betsaka i Mahajanga sy ny faritra Boeny. Mahatratra eo ho eo amin’ny 7 000 taonina eo ny trondro mivoaka avy ao an-toerana, isan-taona. Hampivelarana izany indrindra no antom-pisian’ny « Festival de fruits de mer » eo amin’ny Village touristique. Miditra amin’ny andiany fahenina ny hetsika amin’izao fotoana izao, izay hanomboka ny 12 jolay. Ahitana trano eva samihafa hampirantiana sy hanjifana ireo vokatra avy amin’ny jono sy ny manodidina azy. Hisy ihany koa ny fanandramana ireo sakafo ahitana hazan-dranomasina.
Etsy ankilan’izany rehetra izany dia hisy hatrany ny fampirantiana ny sehatry ny fizahan-tany mampiavaka an’i Mahajanga. Hisy ihany koa ireo fampisehoana handraisan’ireo mpanakanto maro anjara.