Fetim-pirenena Amerikana faha-249 : Fanamarihana ny faha-150 taonan'ny fiaraha-miasan'i Etazonia sy Madagasikara
Raha ny 4 jolay ny daty ofisialin'ny fetim-pirenena Amerikana. Tontosa ny 1 jolay kosa ny fankalazana ho an'ireo Amerikana sy ireo mpiara-miasa ary namana rehetra eto Madagasikara. Fety roa sosona no nankalazaina : ny faha-249 taona nahazoan'i Etazonia fahaleovantena sy ny faha-150 taonan'ny fiaraha-miasan'i Etazonia sy Madagasikara
Raha tsiahivina, ny taona 1 776 i Etazonia no nahazo ny fahaleovantena. Fetim-pirenena faha-249 izany izao ankalazaina izao.
Fankalazana teto Madagasikara
Teny amin'ny trano fonenan'ny Ambasadaoron'i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Ambaranjana, no nanatanterahana ny fankalazana. Niara-nifaly ireo vahoaka amerikana monina na mandalo eto Madagasikara, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana eto an-toerana, sy ireo manana fifandraisana amin'i Etazonia rehetra.
Koa satria teto Madagasikara no nanatanterahana ny lanonana, ny hiram-pirenena Malagasy no noventesina voalohany, narahin’ny hiram-pirenena Amerikana. Araka ny nambaran’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Claire Pierangelo, tsy fankalazana ny fetim-pirenena Amerikana ihany no nomarihana, fa eo ihany koa ny fifandraisana maharitra eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Efa 150 taona tokoa izay no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta. Ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fanjariantsakafo sy ny fambolena moa no tena nifantohan’ny roa tonta. « Mampirehareha an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’i Etazonia, izay miorina amin’ny fifanajana, ny soatoavina iombonana ary ny fampandrosoana », hoy ny Minisitry ny Fitaterana, Valery Ramonjavelo.
Mifarana androany ny asan’ny USAID eto Madagasikara, izay naharitra 40 taona. Nitondra vokatsoa sy nanavotra aina Malagasy marobe izany tetikasa izany. Na tsy hisy intsony aza ny USAID, mbola manome toky i Etazonia fa hanohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanampianana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana, indrindra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vonona ihany koa i Etazonia hanampy an’i Madagasikara amin’ny ady amin'ny herisetra an’habaka sy ny fanondranana olona an-tsokosoko. Tsy adino ny fiaraha-miasa sy ny fiofanana isan-karazany, izay nahafahana nandrava tambazotran-jiolahy nikasa hanondrana sokatra ahiana ho lany tamingana.
Mbola manolotra famatsiam-bola roa lehibe ho an’i Madagasikara i Etazonia, dia 30 tapitrisa Dolara ampiasaina amin’ny asa mifototra amin’ny maha-olona sy 13 tapitrisa Dolara ho an’ny Fahasalamana. Ny Masoivoho Amerikana moa no mitantana ireo vola ireo. Mitohy ihany koa ireo karazana fandaharan’asa mifantoka amin’ny fanabeazana, toy ny fampiofanana ireo mpampianatra teny Anglisy sy ny vatsim-pianarana ho an’ireo tanora mpandraharaha sy mpitarika. Mazava ho azy, mbola mandray ireo vokatra avy eto Madagasikara i Etazonia, amin’ny alalan’ny AGOA.
Fankalazana any Etazonia
Samy manana ny fandaminany ny firenena tsirairay isaky ny 4 jolay. Amin'ny ankapobeny nefa, ny matso, ny fampisehoana, ny afomanga sy ny fihinanambe no tena atao. Ny any Texas manokana, misy "spectacle aérien" isan-taona, ao amin'ny tanana antsoina hoe Addison. Mampiseho ny fahaizany ireo mpisehatra amin'ny fanamoriana an'habakabaka amerikana, sady misy rahateo ireo mpilatsaka an'elon'aina Mandray anjara amin'izany seho izany. Ny any Californie indray, ny fananganan-tsaina vao maraimbe no hanombohana ny fety, arahin'ny sakafo maraina iombonana hihinanan "pancakes". Foaran'ny asa tanana sy ny mofomamy no atao avy eo, sady misy ihany koa ny matso.
Ny any Bend indray, faritr'i Oregon, ireo biby fiompy no ampanaovina matso. Efa nanomboka tamin'ny taona 1 924 izany fahazarana izany, ka entina mandray anjara na ny alika na ny osy. Mahavory olona hatramin'ny 10 000 izany "défilé" hafakely izany.
Tsara ny manamarika fa efa tontosa tamin'ny 14 jona lasa teo ny fankalazana ny faha-250 taonan'ny Tafika Amerikana, tao Washington DC. Nankalaza ny faha-79 taonany ihany koa ny filoham-pirenena Amerikana Donald Trump tamin'io andro io.