• Cours de change
  • 5191.45 AR
  • |
  • $5191.45 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

Tetikasa Miarova : Nahafahana nanamafy ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara

01/07/2025 15:01 © Moov.Mg

Nifarana tamin’ny fomba ôfisialy omaly 30 jona 2025 ny tetikasa « Miaro antsika Rehetra amin’ny Covid-19 ny Vaksiny », na « Miarova ». Marobe ny zava-bita, hatramin’ny taona 2021 nanombohan’ny tetikasa, araka ny tatitry ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tetikasa niady tamin’ny covid-19

Ny fanaovam-baksiny, mba hiarovana ny vahoaka malagasy amin’ny valanaretina covid-19, no antony nametrahana ny tetikasa Miarova, teo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, teny am-piandohana. Tao anatin’ny fotoana nampirongatra ny aretina tanteraka isika teto Madagasikara, tamin’izany fotoana izany. Niitatra tsikelikely ny asa notanterahina tao anatiny, indrindra rehefa nihalefy ireo trangan’aretina, ka nampiasaina ho entina manatsara ny rafitry ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny tetikasa.

Mitotaly ho 10 tapitrisa dôlara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky Iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fampandrosoana (IDA), ho fanatanterahana ny tetikasa Miarova. Izany no nivoitra tao anatin’ny tatitra izay nampahafantarina omaly, nandritra ny lanonam-pamaranana ny tetikasa, teny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) eny Ivato.

Fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana

Araka ny nambaran’ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Dr Yasmine Lethicia Lydia, dia olona miisa 3 308 071 no nisitraka ny vaksiny fiarovana amin’ny covid-19, tao anatin’ny tetikasa Miarova. Ankoatra izay dia nahafahana nahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 250, izay naparitaka manerana ny Nosy ihany koa ny famatsiam-bola ho an’ity tetikasa ity, ankoatra ny « chambre froide » 24 isa, ny « scanner » miisa 10 na ihany koa ny moto miisa 500 isa, izay nentina nanohana ny ekipan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka eny ifotony. Tetsy an-daniny, nisy ny fanamafisam-pahalalana, nanomezana fiofanana ara-teknika ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana eto Madagasikara. Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa iray amin’ireo tetikasa manatanteraka ny pôlitika ankapoben’ny Fanjakana ny tetikasa Miarova.

Lire la suite

Articles Similaires