Karazanjavamananaina ao Anôsy : Fiaraha-mitantana ho fiarovana ny Faritr'alan'i Manangotry
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-mitantana ny faritr'alan’i Manangotry ireo tompon’andraikitra ao Fenoevo Efita, distrikan’i Tolagnaro, Faritra Anôsy sy ny mponina manodidina. Natao indrindra izany hanamafisana ny ady amin’ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna sy ny fiarovana ireo karazanjavamananaina ao anatin’ity faritra arovana ity.
Fifanarahana niainga tamin’ny fifampiresahana
Mandray anjara feno ao anatin’ity fifanarahana ity manomboka izao ireo tanàna telo manodidina ny faritr'alan’i Manangotry dia Amboasary, Agnivorano ary Manangotry. Izy ireo no nandray anjara tamin’ny fifampiresahana mba handaminana ny fomba fifampitondrana. Raha tsiahivina dia mipetraka manakaiky ny sisin’ny Valan-javaboarin’Andohahela ity faritra arovana ity.
Fandrosoana lehibe izao hetsika izao, vokatra nateraky ny fifampiresahana teo amin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra izay nisy ny Faritra Anôsy, Fitaleovam-paritry ny Tontolo iainana ary ny Madagascar National Parks, ny manam-pahefana eo anivon’ny Kaominina Fenoevo Efita sy ny sefo fokontany), andaniny, Ankilany ireo solontenan’ny vondrom-piarahamonina ifotony ahitana ireo zokiolona, mpitankazomanga, toteny, mpikabary, ary ireo manao antom-pivelomana anaty ala.
Fomba nentim-paharazana no ampiharina
Ny fifanarahana nosoniavina dia manamafy ny famaranana tanteraka ny fanaovana hetsika tsy ara-dalàna toy ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna na doro tanety. Amin’ny alalan’ny Dina no ampiharana izany, izay fifanarahana nentim-paharazana eken’ny rehetra. Io no ho fototra iorenan’ny fitantanana ifotony sy maharitra amin’ny fiarovana ity faritra arovana ity. Araka izany, miankina amin’ny fitsipika nentim-paharazana sy ny fombafomba ara-drazana ny fifanarahana, mba hiantohana ny fandraisana anjaran’ny rehetra sy ny fanajana ny adidy napetraka amin’ireo vondrom-piarahamonina rehetra.
Etsy ankilany, ho fanamarihana amin’ny fomba ofisialy ilay fifanarahana dia nisy ny fanaovana “Titiky”. Fombafomba nentim-paharazana izay nanoloran’ireo solontenan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) omby iray ho mariky ny fanajana sy ny fanoloran-tena amin’ny fiarovana ny natiora. Raha ny fanazavana dia manamafy ny lanjan’ny fifanarahana eo amin’ny samy mponina izy io.
Mety handrisika ireo toerana hafa miaro ny tontolo iainana manerana an’i Madagasikara ity modely fiaraha-mitantana ity, izay mampifandray ny fomban-drazana sy ny fitantanana.