Ambositra : Nahatratrarana entana efa lany daty ny tsena maromaro
Mampihatra fepetra maromaro noho ny tranga fahapozinana ara-tsakafo tao Ambositra ny DRSP Amoron'i Mania. Raha tsiahivina, olona 12 no nindaosin'ny fahafatesana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Noho izany indrindra, mihamafy ny fanaraha-maso ireo sakafo amidy eny an-tsena rehetra eny, manerana ny faritra Amoron'i Mania.
Ny "charcuterie" nentina avy any Toamasina no voalaza fa nahatonga ilay fahapoizinana ara-tsakafo namoizana aina am-polony. Na dia tsy tao Amoron'i Mania aza no nividianana izany vokatra nampidi-doza izany, misy ny hetsika natao hanaraha-maso ireo sakafo isan-karazany amidy eny an-tsena.
Fitsirihana ifotony
Ireo tsena lehibe mahazatra ny mpanjifa no tena nifantohan'ny fitsirihana voalohany. Rehefa natao ny fitetezana ireo tranombarotra maromaro, nisy entana maromaro efa lany daty nefa mbola namidy ihany. Entana lany karazany enina no nogiazana tamina Grossiste PPN 5 sy botikana toby famatsiana solika iray.
Ny "Inspecteur de denrées alimentaires" (IDA) sy ny Ministeran'ny Varotra moa no nanatanteraka izany fidinana ifotony izany. Tsy tapitra hatreo akory ny asan'ireo tompon'andraikitra ireo, satria mbola hitohy hatrany ny fanaraha-maso ireo mpamongady sy mpivarotra sakafo.
Fanentanana
Mitohy hatrany ny fanentanana ireo mpivarotra rehetra mba hanamarina ireo entana rehetra amidy. Tokony dorana avokoa ireo entana lany daty fa tsy amidy mora na zaraina amin'ny hafa. Entanina ihany koa ny fandraisana fepetra amin'ny fitehirizana sakafo mila fampangatsiahana, indrindra raha misy fahatapahan-jiro.
Ho an'ireo mpivarotra salantsalany na madinika, tokony mampiasa "vitrine" hatrany rehefa mivarotra hani-masaka. Antoky ny fahasalamana mantsy ny fahadiovana sy ny kalitaon'ny sakafo atolotra ny mpanjifa.