• Cours de change
  • 5175.95 AR
  • |
  • $4402.42 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Laser sy Tsipoapoaka : Eny amin’ny toerana voatokana ihany no azo ampiasaina

24/06/2025 14:40 © Moov

Mitobaka eraky ny tsena indray amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao ny « laser » sy ny tsipoapoaka. Tsy misy ny lalàna mandrara azy ireny amin’izao fotoana izao saingy amin’ny toerana voatokana ihany no azo atao, hoy ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo.

« Laser » maitso

Isan’ny nandraisana fepetra manokana ny mikasika ny fampiasana ny « laser » ny 25 jona eny amin’ny Lac Iarivo sy ny manodidina. Manakaiky ny seranam-piaramanidina tokoa mantsy ny toerana hanapoahana afomanga, ka efa nanambara ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena fa tsy azo ampiasaina ireny karazana kilalao ireny. « Manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina ny jiro avy amin’izy ireny ka izay no nandraisana ity fepetra ity. Hitandroana ny loza mety hitranga izany ary mitovy amin’izany ihany koa ho an’ireo mpamily fiara ety ambany », hoy ny fanazavana.
Ankoatra izany moa dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny maso ireny kilalao ireny. Raha jerena nefa dia efa eny am-pelatanan’ny ankizy marobe ireny kilalao ireny amin’izao fotoana izao, ka tsy ho voarara intsony ny fampiasàna azy, amin'ity taona ity.

Toerana voatokana no hanapoahana ny tsipoapoaka

Ankoatra ny « laser » dia kilalao mahafinaritra ny ankizy kely ihany koa ny tsipoapoaka. Manoloana izany dia nanambara ny Prefen'Antananarivo, Angelo Ravelonarivo, fa amin’ny toerana voatokana no tokony hilalaovana azy ireny. « Tsy norarana ny tsipoapoaka satria maro ireo karazan’olona mivelona amin’izy ireny rehefa asaramanitra toy izao ; saingy tokony hatao amin’ny toerana voatokana », hoy io tompon'andraikitra io. Anisan’ny tsy azo hanapoahana azy ireny manodidina ny hopitaly, fianarana sy ny akaikin’ny tobin-tsolika ary ny tsena…
Etsy andaniny, tokony ho mailo ny rehetra satria mety hisy hanararaotra ny fipoahan’izy ireny amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana. « Raha ny tokony ho izy dia eny an-tokontany mifefy ihany no tokony hanapoahana azy », hoy hatrany ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires