• Cours de change
  • 5175.95 AR
  • |
  • $4402.42 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Afomanga eny Ivato : Hisy fiatoana ny fiaingana sy fahatongavan'ny sidina ny takarivan'ny 25 jona

23/06/2025 16:32 © Moov

Eny amin'ny Lac Iarivo Ivato no hanatanterahana ny Afomanga, ny takarivan'ny 25 jona, amin'ny fankalazana ity fetim-pirenena 2025 ity.

Tsy eny Anosy tahaka ny mahazatra ny hanapoahana ny Afomanga amin'izao fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena izao. Eny amin'ny Lac Iarivo Ivato, tanàna vaovao eto Antananarivo, no handefasana ny Afomanga.

Fandaminana ireo sidina nasionaly sy iraisam-pirenena

Hisy fiatoana ny fivezivezen'ny fiaramanidina ny takarivan'ny 25 jona ho avy izao. Tsy hisy fiatoana na fahatongavana mihitsy eo anelanelan'ny amin'ny 7 ora latsaka folo minitra (18h50) hatramin'ny 8 ora sy folo minitra (20h10). Hikatona moa ny Seranampiaramanidina iraisampirenena sy nasionaly amin'io fotoana voatondro io. Efa samy mandamina ny fandaharam-potoan'ny sidiny rehetra ireo kaompaniam-pitaterana an'habakabaka miasa eto Madagasikara.
Noho izany indrindra, asaina ireo mpandeha mikasa handray ny sidina nasionaly na iraisam-pirenena mba handamina mialoha ny famonjena ny Seranampiaramanidina, indrindra ireo hanao ny "enregistrement" ny alin'ny 25 jona. Ho marobe mantsy ny olona hifamezivezy eny amin'ny manodidina, ka mety hisy mihitsy ny fitohanan'ny fiara, indrindra fa ho tapaka ny lalana avy any amin'ny lalam-baovao. Mila miomana ihany koa ireo mpandeha ho tonga eto Antananarivo raha tonga harivariva, manomboka amin'ny 5 ora hariva any ho any, satria mety efa ho feno mpijery Afomanga ny lalana.

Fandaminana ireo mpanao arendrina

Asaina avokoa ny rehetra hijery Afomanga eny amin'ny Lac Iarivo Ivato. Malalaka tsara ny toerana ka tsy misy ahiana ny fandriampahalemana. Hisy fandaminana manokana moa mikasika ny fitaterana ireo mpanao arendrina hamonjy ny toerana, ka fiarabe elektrika miisa 40 no ampiasaina. Marihana moa fa manomboka amin'ny 12 ora atoandro, ireo hamonjy ny lanonana Afomanga (taterina amin'ny Bus électrique) ihany no afaka mizotra amin'ny lalam-baovao (Rocade Tsarasaotra). Afaka mandeha ihany koa ireo mpiasa hamonjy ny asany eny Tsarasaotra na Ivato.
Ampahatsiahivina ny tsy fahafahana mampiasa ny "Laser maitso" eny Ivato sy ny manodidina. Mety hampididoza ny fitsilovana ireo fiaramanidina amin'ireny jiro ireny, mialoha, mandritra ary aorian'ny fetim-pirenena. Tsy tokony hitarafana mpitondra fiara, mpitondra moto sy ny olon-drehetra manodidina ihany koa ny Laser.

Fanentanana

Tsy hangingina akory ny fetin'ny 25 jona. Efa vonona eny an-toerana ny Jet d'eau izay hisy jiro maroloko ny hariva mialoha ny fetim-pirenena. Hisy moa ny Show Drone sy Afomanga, arahina fanentanana DJ. Araka izany, natao ho an'ny rehetra mihitsy ny fety eny amin'ny Lac Iarivo, ary samy hahazo ny anjarany avokoa na ny kely na ny lehibe.

Lire la suite

Articles Similaires