Salon national des sports : Telo andro ho fampiroboroboana ny taranja rehetra misy
Haharitra telo andro ny « Salon national des sports » eto Madagasikara, dia ny 28 hatramin’ny 30 jona izao. Hetsika maro isan-karazany no hanatanterahana izany ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, entina hanomezan-danja ireo taranja rehetra misy.
Andiany voalohany eto Madagasikara
Raha efa firenena maro maneran-tany no manatanteraka ny hetsika « Salon national des sports » dia andiany voalohany amin’izany ity eto Madagasikara ity. Mandritra ireo telo andro ireo dia ho hita sy haseho avokoa ireo karazana fanatanjahantena misy eto Madagasikara. Ao anatin’izany dia hisy ny fampirantiana ny momba ireo federasiona, klioba ary ekipa maro isan-karazany isak’izany karazany izany. Etsy andaniny dia hanamarika ny fotoana ihany koa ny fampisehoana mivantana ny momba ireo taranja ireo. Misy ireo taranja mbola tsy be mpahafantara handray anjara ary misy ihany koa ireo taranja efa be mpitia sy be mpahafantatra. Tanjona ao anatin’izany ny hampiseho fa misy hatrany ny karazana fanatanjahan-tena mifanaraka amin’ny maha-izy azy ny tsirairay.
Etsy ankilany dia handray anjara ihany koa ireo mpisehatra manodidina ny fanatanjahantena. Ao anatin’izany ireo mpitsabo na mpanome torohevitra momba ny fisakafoanana (nutritionniste). Hanampy izany ihany koa ireo kojakoja ilaina amin’izany fanatanjahantena izany, toy ny fitafiana. « Hifanaraka amin’ireo rehetra ireo dia hisy ny fanentanana isan-karazany mba handrisihana ny rehetra ho tia fanatanjahantena », hoy i Armel Patrick, avy ao amin’ny NcAgency, mpikarakara ny hetsika. Hanamafisana ny hafatra tiana hampitaina dia hisy ihany koa ireo famelabelaran-kevitra samihafa.
Urban Trail
Isan’ny teboka lehibe amin’ity hetsika ity ny « Urban Trail » izay ho tanterahina ny 29 jona. Hiainga eo amin’ny fiantsonan’ny fiara ao amin’ny Carrefour Ankorondrano izany ary hifarana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Manodidina eo ho eo amin’ny 5.5km eo, raha ny fanazavana.
Amin’izao fotoana izao dia efa mihoatra ny 4 000 ireo nisoratra anarana ary mbola mitohy hatrany izany. Mizara telo ny hazakazaka dia misy ny natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona ; ho an’ny 18 hatramin’ny 40 taona ary ny ho an’ireo maherin’ny 40 taona. Nanamarika hatrany ny avy ao amin’ny NcAgency fa efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana eny amin’ny lalana izay handalovan’ireo mpilalao rehetra. Misy fidirana 2 000ar hatrany mandritra ny hetsika.