• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Economie

Ambatondrazaka : Tafatsangana ny Firaisan’ny Kaoperativa

26/09/2023 16:41 © Moov.Mg

Anisan’ireo distrika misitraka ny tetikasa Taninketsa Indostrialy i Ambatondrazaka. Efa hita ao an-toerana, araka izany, ny milina mpanodina voatabia ho lasa ketchup.

Kaoperativa mampivondrona ny tantsaha

Tafatsangana soa aman-tsara ny alatsinainy 25 septambra teo tao Ambohitranjakana, kaominana suburbaine Ambatondrazaka, ny Firaisan’ny Kaoperativa. Olona miisa 114, avy amin’ny kaoperativa enina no fantatra fa mandrafitra ity fikambanana vao najoro ity.
Toa ny any amin’ny distrika hafa dia ireo tantsaha mpikambana ao atin’ny kaoperativa no hamatsy ny akora fototra ilaina amin’ny fampandehanana ny ozinina. Ireo kaoperativa enina mivondrona ao anatin’ny firaisan’ny kaoperativa, araka izany no hisahana, amin’ny ankapobeny, ny famatsiana ny voatabia hampiasaina amin’ny fanodinana ny milina mpamokatra ketchup raha ho an’Ambatondrazaka manokana no resahana.

Distrika mpamokatra voatabia

Anisan’ireo distrika mpamokatra voatabia amin’ny taoniny maro isan-taona tokoa raha i Ambatondrazaka. Tonga hatramin’ny 16 500 taonina isan-taona mantsy ny vokatra voatabia azo ao an-toerana, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.
Rariny dia rariny tokoa raha anisan’ireo distrika misitraka ny tetikasa Taninketsa Indostrialy amin’ny alàlan’ny ODOF i Ambatondrazaka, raha io habetsaky ny vokatra ao an-toerana io no jerena. Fantatra ary fa afaka manodina voatabia 1 taonina isan’ora ity milina ity. 1,5 taonina isan’andro no sauce tomate na ketchup azo amin’izany raha toa ka atao hoe miodina adin’ny enina isan’andro ny milina. Hiteraka tombotsoa ho an’ny tantsaha mpamokatra, ho an’ny mpandraharaha fa ihany koa ho an’ny distrika iray manontolo mihitsy ny fisokafan’ity orinasa mpanodina voatabia ity.
Raha tsiahivina dia anisan’ny tanjona fototra napetraka amin’ny tetikasa taninketsa indostrialy ny hanomezan-danja ny distrika tsirairay avy. Ny fitrandrahana ireo vokatra fototra ao an-toerana, amin’ny alàlan’ny fanodinana izany no fomba iray hahafahana manatratra izany tanjona izany. Ankoatra izay dia hiteraka asa ho an’ny mponin’Ambatondrazaka ny fiodinan’ity orinasa ity. Olona 20 no vinavinaina hahazo asa amin’ny alàlan’ny ODOF, ary tantsaha an’arivony ihany koa no hahazo tombotsoa satria hanamora ny famarotana ny vokatra voatabia izany ho azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires