• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adiac_Congo
Image
Economie

Asa-tànana : Mivelatra tsikelikely amin’ny sehatra iraisam-pirenena

25/09/2023 16:45 © Moov.Mg

Anisan’ny seha-pihariana iray mahasarika ny malagasy maro ny asa-tànana. Tsy mitsaha-mitombo ireo mpandraharaha mahaleo-tena misafidy ny hanokatra ny orinasany izay mifototra amin’ny asa-tànana eto Madagasikara. Mitàna anjara toerana lehibe amin’ny hari-karenan’ireo tokatrano malagasy maro ity sehatra ity ankehitriny.

« Salon Africain des métiers du bois »

Manomboka mivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny asa-tànana malagasy ankehitriny. Tsy ela akory izay fa ny herinandro lasa teo dia nandray anjara tamin’ny « salon Africain des métiers du bois » ny delegasiona malagasy izay notarihan’ny ministry ny Asa-tànana sy ny Hai-tao malagasy, Ratsiraka Sophie.
Fotoana iray izay nahafahan’ireo mpandraharaha malagasy nampiranty sy nampahafantatra ny vokatra malagasy ao anatin’ny sehatry ny asa-tànana izany. Firenena Afrikana maromaro hafa ihany koa manko no nandray anjara tamin’ity hetsika izay natao tao Congo ity. Tao ohatra i Congo Brazaville, i Sénégal, i Cameroun, i Bénin ary i Congo Kinshasa. Mpanao asa-tànana miisa 104 avy amin’ireo firenena ireo no nampiranty ny asan’izy ireo tsirairay avy, ary anisan’izany i Madagasikara. Vahiny maro avy ao Afrika sy Eoropa ihany koa no tonga nanatrika ity hetsika fampirantiana izay nandrasain’i Madagasikara anjara ity, ary notontosaina tao Congo Brazaville.

Fampiroboroboana ny sehatra

Ny fandraisana anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena toa izao dia fotoana iray hahafana mampahafantatra ny atao hoe asa-tànana malagasy. Fotoana ihany koa izany hifampiresahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny firenena maro samihafa.
Nisy araka izany ny fifampiresahana mahakasika ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana ny sehatry ny asa-tànana vita amin’ny hazo eto Madagasikara teo amin’ireo manampahefana afrikana maro sy ny delegasiona malagasy. Anisan’ireo nifampiresaka tamin’ny ministra malagasy nandritra izany ohatra ny praminisitra ao Congo Brazaville sy ny ministra misahana ny asa-tànana any an-toerana ary ireo orin’asa madinika. Noresahana mandritra izany ihany koa ny hahafahana mandefa mpampiranty malagasy maro mandritra ny andiany manaraka amin’ity Salon Africain des métiers du bois ity.
Anisan’ny mampiroborobo ny sehatry ny asa-tànana malagasy ny fandraisana anjara amin’ny fampirantiana iraisam-pirenena toa izao. Ny fisian’ireo hetsika eto an-toerana, toa ireo karazana foara ihany koa, dia manampy ireo mpanao asa-tànana malagasy mifanerasera amin’ireo mpandraharaha malagasy sy vahiny misehatra ao anatin’ny fanondranana ireo vokatra eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires