• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Economie

Jono : Dian’ny ministra any Mahajanga

20/09/2023 16:49 © Moov.Mg

Ao anatin’ny fitsidihana an’i Mahajanga ny ministry ny Jono sy ny Toekarena manga, Paubert Mahatante ankehitriny. Mpisehatra samihafa ao anatin’ny Jono sy ny Toekarena no mitafa sy mihaona aminy mandritra izany diany izany.

Famelabelarana mahakasika ny sehatry ny Toekarena Manga

« Miompana amin’ny fanohizana ny asa fampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena manga ny dian’ny ministra any Mahanjaga », hoy ny ministera mpiahy manamafy. Fihaonana sy fitsidihana maro no hotanterahany mandritra izany. Toa ny efa fanaon’ny ministra dia niroso tamin’ny ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny Toekarena Manga ny tenany.
Tamin’ity indray mitoraka ity dia niarahany tamin’ireo mpianatra ao amin’ny « Faculté des sciences » ao Mahajanga izany. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taona niorenan’ny faculté tokoa mantsy ity famelabelarana natao androany ity. Noho izany fankalazana izany dia tonga mavitrika nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fihaonan’ny mpianatra sy ny ministra ihany koa ireo maintimolaly. Raha tsiahivina dia anisan’ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny faculté des sciences Mahajanga ny ministra Mahatante Paubert.

Fitsidihana

Fotodrafitrasa isan-karazany no notsidihan’ny ministra androany. Anisan’ireo nojereny manokana ny laboratoaran’ny Oniversite an’i Mahajanga. Ity farany moa dia fanaovana andrana isan-karazany mahakasika ny fiompiana trondro toa ny « espèces niloticus » izay karazana trondro ezahana haparitaka manerana an’i Madagasikara amin’ny fametrahana « zoologie élevage ». Nanamafy ny ministera fa ilaina ny zavatra toa izao mba tsy hahalany tamingana ireo harena voajanahary misy eto amintsika. Nijery ny « laboratoire géologie » ao amin’ny oniversite ihany koa ny tenany.
Anisan’ireo notsidihan’ny ministra androany ny Sambo Bekapila, izay marihina fa sambo vita malagasy. Ampiasaina amin’ny fanangonam-bokatra sy ny fifidianana vokatra amin’ireo toerana saro-dàlana toa ny Besalampy, Analalava, Antsohihy sns izany. Manana halavana mirefy 12 m ity sambo ity, ary faka mitahiry vokatra hatramin’ny 5 taonina. Afaka manjono ihany koa izy io ary ny orinasa CDPHM no mampiasa azy.
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena manga ny fidinana ifotony sy ny fifampizarana toa izao. Tsy misy afa-tsy ny fifanatonana eo amin’ireo mpisehatra isan-karazany ihany tokoa manko no ahafahana mampivelatra ny seha-pihariana iray.

Lire la suite

Articles Similaires