• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Economie

Taninketsa indostrialy : Misokatra ny Antso ho an’ny tetikasa

19/09/2023 16:09 © Moov.Mg

Ny 14 septambra lasa teo no nisitraka milina mpanodina voatabia ho lasa ketchup ny distrikan’Ambohidratrimo, raha toa kosa ka milina mpanodina saonjo sy vomanga ho lasa chips no natolotra an’Ankazobe. Andro vitsivitsy aty aoriana dia mampilaza ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Indostria fa misokatra ny Antso ho an’ny tetikasa.

Mitady mpandraharaha

Nivoaka androany 19 septambra ny daty fiantsoana tetikasa izay nataon’ny teo anivon’ny ministera mpiahy ho an’ny distrikan’Ankazobe sy Ambohidratrimo. Miompana amin’ny fitantanana ny milina famokarana chips izany ho an’Ankazobe, raha toa kosa ka fitantanana ny milina famokarana ketchup izany ho an’Ambohidratrimo.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fametrahana Indostria isaky ny distrika izany, izay hifotoran’ny programan’asa ODOF. Efa misokatra manomboka androany, ary tsy hifarana raha tsy ny 06 Oktobra amin’ny 04 ora hariva ny fandraisana ny antontan-taratasy maneho ny fahalinana ho an’ireo mpandraharaha maniry ny hitantana ireo milina fanodinanana ireo.
Aorian’io daty io dia hiroso amin’ny fifantenana izay hitantana ny milina famokarana chips sy ketchup, ho an’ireo distrika roa ireo ny tompon’andraikitra amin’izany eo anivon’ny ministera.

Ho fampiroboroboana ny distrika

Programan’asa iray entina hampiroboroboana ny sehatry ny indostria ny ODOF, izay iarahan’ny ministera miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Miompana amin’ny fanomezan-danja ny sehatry ny fanodidina ireo vokatra fototra ity programa ity, ary iantefan’izany avokoa ireo distrika manerana ny Nosy. Anisan’ireo vokatra be mpitady eo amin’ny tsena anatiny sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tokoa ireo vokatra voahodina avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana, hoy ny ministera manamafy.
Raha Ankazobe sy Ambohidratrimo manokana no resahana dia inoana fa hitondra fivoarana ho an’ny harinkarena faobe any an-toerana izao tetik’asa fametrahana milina izao. Fantatra fa miantefa amin’ireo mpandraharaha salatsalany sy madinika rehetra ao anatin’ny sehatry ny famokarana sy ny fanodinana saonjo, vomanga ary voatabia eto amin’ny faritra Analamanga ireo antso ho an’ny tetikasa roa ireo.
Hisy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpandraharaha sy ireo kaoperativa mpisehatra mandritra ny faharetan’ny tetikasa. Anisan’ny manampy amin’ny fampiroboroboana ny distrika mpisitraka ny ity tetik’asa taninketsa indostrialy ity izany.

Lire la suite

Articles Similaires