• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Afrik_21
Image
Economie

Volobe Amont : 2 000 Ha no tany hanorenana azy

14/09/2023 17:22 © Moov.Mg

Miroso ny asa fanatsarana ny sehatry ny herinaratra eto Madagasikara, na dia mbola mitohy hatrany aza ireo fahatapahan’ny famatsiana amin’ny faritra maro.

Ao anatin’ny fampiroboroboana io sehatra io indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa iray izay tontosain’ny CGHV. Tetikasa izay miompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano.
Nankatoavin’ny filan-kevitry ny ministra
Anisan’ny raharaha noresahana teo anivon’ny filan-kevitry ny ministra omaly tetsy amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny mahakasika ny fampiroboroboana ny sehatry ny tolotra herinaratra. Nojerena manokana tamin’izany ny mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano na ny « centrale hydroélectrique » izay mitondra ny anarana Volobe Amont, ary tanterahan’ny orinasa CGHV. Tapaka nandritra izany filan-kevitra izany ary fa homena alàlana hampiasa ny tany mirefy 2 000 Ha, izay ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, ny CGHV.
Haharitra dimy taona ny fahazon-dàlana izay omena ny CGHV, izay marihina fa fotoana haharetan’ny fananganana ny tobim-pamokarana. Nanamafy ny Praiministra lehibe ny governemanta fa tsy hisy ny fanesorana ny tompony eo amin’ny taniny. « Mijanona ho fananan’izy ireo tanteraka ny tany tafiditra ao antin’ny tetikasa ».
Fiarovana ny tontolo iainana
Hanana tanjaka 120 MW ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano ity. Tokatrano 360 000 sy olona manodidina ny 2 tapitrisa kosa no hahazo tombotsoa mivantana amin’it tetikasa Volobe ity. Heverina hamaha amin’ny ampahany olana amin’ny fisitrahana herinaratra ity toby vaovao ity, noho izany. Raha jerena dia 40% ny filàna ara-herinaratra no hiantohan’ity tetikasa ity.
Ankoatra ireo olona aman-tapitrisany hahazo tombotsoa mivantana, dia anisany mitondra vokatsoa ho an’ny tontolo iainana ihany koa ity tetikasa ity. Fantatra mantsy fa milanja 15 tapitrisa taonina ny ento ratsy, na ny gaz carbonique, voailika tsy hisy anaty tontolo iainana noho ny fametrahana ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano ity. Vahaolana iray mahomby manoloana ny olana ara-herinaratra, fa ihany koa ara-tontolo iainana noho izany ity tetikasa Volobe ity.

Lire la suite

Articles Similaires