• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 6 hatramin'ny 12 janoary 2025

13/01/2025 00:03 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 6 hatramin'ny alahady 12 janoary 2025

Rivodoza Dikeledi # Niditra tao Vohémar

Niditra an-tanety tao Vohémar ny rivodoza Dikeledi ny sabotsy hariva, tokony tamin'ny 7 ora sy sasany. Ny marainan'io andro io dia efa tonga ny orambe narahin-drivotra mafy. Niakatra ny rano noho izany ka maro tokoa ireo traboina voatery nafindra toerana. Nisy ny fotodrafitr'asa sy trano simba. Tsara ny manamarika fa efa niomana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny tamin'ny fandalovan'ny rivodoza. Tsy naharitra ela moa no nijanonan'i Dikeledi an-tanety.
Nisy fiantraikany tamin'ny toetry ny andro ny fandalovan'iny rivodoza iny. Ny teto Antananarivo sy ny manodidina manokana dia nisitraka orana ny sabotsy sy ny alahady, ary antenaina hitohy amin'ity fiandohan'ny herinandro ity izany. Velombolo ireo mpamboly noho ny fisian'ny rano natoraly indray, indrindra ireo mpamboly vary. Raha ny tatitry ny BNGRC, miisa 1 702 ireo olona traboina tao amin'ny faritra Analanjirofo, Diana sy Sava. Nisy aina nafoy 3 ihany koa, tany Rantabe, Maroantsetra sy Antsiranana II.

Rivodoza Dikeledi # Nanimba zavatra tao Nosy-Be

Nahery ny rivotra tao Nosy-Be ny sabotsy 11 janoary lasa teo. Maromaro ireo hazo nianjera ka nanakana ny fifamoivozana, ny marain'ny alahady 12 janoary. Voakasik’izany ny lalam-pirenena RNS 57 mampitohy an’i Hell ville sy Fascène, ny RNS 30A mampifandray an’i Hell ville sy Andilana ary ny RNS 30C mampifandray an’Andilana sy Fascène. Mitohy araka izany ny fifamoivoizana any an-toerana. Nifanome Tanana ireo manam-pahefana sy ny herivelona rehetra ary ireo tomponandraikitra maro sy ny vahoaka any an-toerana ary tamin'ny fanalana ireo hazo ireo. Torak'izany ihany koa ny teny amin'ny lalam-pirenena RN6, tamin'ny fanalana ireo hazo tapaka ka nibahana ny lalana.
Manentana hatrany ny tsirairay ny ministeran'ny Asa Vaventy mba hitandrina sy ho mailo hatrany eny amin'ny lalam-pirenena, na efa nivoaka an-dranomasina aza ny rivodoza Dikeledi.

SMA # Tatitry ny asa vita tamin'ny taona 2024

Nivoatra ny fitantanana ny fako teto Antananarivo Renivohitra tamin´ny taona 2024. 503.494 m3 ny hadirin’ny fako voatatitra ny Sociétè Municipale d’Assainissement (SMA) nandritra ny taona 2024, raha 285.788 m3 ny taona 2023.
Lasa 70% isan’andro ny tahan’ny fanangonana fako vita isanandro raha 30% izany tamin’ny voalohany taona.,Nidina 10% amin´ireo toerana fanariana fako no ahitana daba-pako feno na mihoatra raha 70% izany teo aloha. Tsara ny manamarika fa miisa 30 ireo fiara miasa ankoatra ireo fitaovana goavana nampiasain’ny SMA. Niara-nisalahy tamin´ny fanatsarana ny vokatra ary isaorana ao anatin´izany ny fitondram-panjakana sy ny tompon´andraikitra rehetra, ny firenena Japoney, tamin’ny alalan’ny JICA, izay mpiara-miombon´antoka.

Le Meilleur Pâtissier # Saison 13 (M6) : Laharana faha-2 i Tsiory Razafinimanana

Ny alin'ny alakamisy 9 janoary lasa teo no nanaovana ny famaranana tamin'ny Lalao "Le Meilleur Pâtissier" andiany faha-13. Fandaharana nokarakarain'ny fahitalavitra frantsay M6 izy io. Nisy malagasy nandray anjara tamin'izany, dia i Tsiory Razafinimanana. Malagasy monina ao Paris ny tenany, ary « Auditeur informaticien » no asany.
Tamin'ny dingana famaranana, nahazo ny laharana faha-2 i Tsiory. Nomeny ny anarana hoe « ALEFA » ilay mofomamy noforoniny. Timothée, tovolahikely vao 16 taona, no nibata ny amboara. Maro dia maro ireo teratany malagasy nanaraka ny fandaharana tamin'ny M6, na nisy aza ireo niandry ny "rédiffusion" vao nahita ny lalao famaranana.

CUA # Famaranana ny hetsika "Noelin'ny Fitia"

Nofaranana ny alahady 05 janoary lasa teo ny noelin'ny Fitia izay notanterahina teny amin'ny zaridaina Ambohijatovo.
Ny alakamisy 09 janoary 2025 no tonga teny an-toerana ny Filohan'ny Delegasiona manokan'Antananarivo Alexandre Georget sy ireo Solontena avy eo anivon'ny fitondram-panjakana nanakantona ny hetsika. Azo lazaina fa fahombiazana tanteraka ny hetsika satria
Misaotra manokana ireo mpitandro filamaninana, ny Polisy monisipaly, ny Polisy nasionaly, ny EMMO ihany koa Tale misahana ny hetsika ao amin'ny Fiadidiana ny repoblika Elia Ravelonjato, tamin'ny fandrindrana ny asa rehetra isan'izany ny fifamoivoizana, ny fandaminana ny vahoaka.
Ny vola fidirana nandritra ny hetsika moa dia hatao hikojakojana, hanatsarana ny zaridaina sy ny fotodrafitr'asa toy ny fanampiana toerana fivoahana, fanamafisana ny "grille de protection ", fanampidirana "plante endémique" mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

Mahajanga # Fahatratrarana olona 40 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Comores

Nisy olona miisa 40 nikasa hiondrana an-tsokosoko hoany Comores no saron'ny zandarimariam-pirenena misahana ny sisin-dranomasina tao Mahajanga ny alin'ny alahady 5 janoary 2025. Somaliana 36, Etiopiana iray, Kaomoriana iray ary teratany Malagasy miisa 2 no hita tao anatin'ilay sambo tamin'izany. Tamin'ny fari-dranomasin'ny Antsahabingo# Village Touristique iny izy ireo notaterina tseikelikely tamin'io alina io. Nogiazana eny amin'ny Brigade Port Mahajanga ilay sambokely raha toa ka natao andrimaso sy atao famotorana lalina kosa ireo olombelona mpitsoa-ponenana.

Taolagnaro # Nisy fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana foza

Vehivavy miisa roa narary vokatrin'ny fihinanana foza (crabe) efa simba ka nahiditra tao amin'ny Hopital CHRR Amboanato, Kaominina Ambonivohitra Tolagnaro. Tonga nijery ny fahasalaman'ireo marary ireo ny Ekipan'ny Fitaleavam-Paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy sy ny Ekipan'ny avy ao amin'ny DRPEB Anôsy.
Araka ny fanadihadiana dia fihinana foza efa simba no nahatonga izao araka ny filazan'ireto niharam-boina ireto, nomarihan'izy ireo fa nisy fofona hafahafa ny sasany tamin'ireo foza ireo. Tsy nisy natahorana ny fahasalaman'izy roa vavy rehefa avy nahazo fitsaboana ara-dalana ary nalefa nody nihazo ny fonenan'izy ireo. Nentanina hatrany izy ireo amin'ny tokony hitandremana amin'ny fihinana hazandrano tsy manara-dalana ary nampahalalana ihany koa fa vanim-potoana mafana izao ka tokony hitandrina amin'ireo hazan-dranomasina voakasiky ny ICAM.

Farafangana # Fahatratrarana mpandoro ala

Nisy trangana fahamaizana mihoatra ny 7ha tao anatin' ny Ala arovana ary mihoatra ny 200ha ny tao Bemelo, kaominina ambanivohitr'Ankarana.
Natao ny fikarohana ka voasambotra ny olona iray, izay natolotra ny fitsarana ny Alakamisy 09 Janoary 2025, ary voatazona any am# ponja vonjimaika ankehitriny. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany izay nahavanona ny doro ala. Ny sazy ampiharina amin' izany dia asa anterivozona mandritra ny fotoana tsy voafetra, miampy lamandy 100 tapitrisa ariary ka hatramin' ny 2 miliara ariary. Mbola entanina ihany ny rehetra mba hiantso ny laharana maintso 955 raha toa ka mahita tranga fanimbana sy fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary.

Sambava # Hentitra ny fanaraha-maso ny vidim-bary

Hentitra ny fanaraha maso ny vidim-bary mba hiarovana ny mpanjifa. Nanao bemidina nijery ireo mpivarotra vary tao Sambava mba hahafana manara-maso ny stock (tahiry) ao aminy, ary ny hivarotany azy sao tsy ara-drariny ireo avy amin'ny ministera varotra niaraka amin'ny ministera fambolena. Natao izao mba tsy hisian'ny fidanganan'ny vidim-bary amin'ny fotoana maitso ahitra ,tsy ekena ny fanaovana stock fa entanina izy ireo mba hamoaka ny vary any amin'ny magazay. Azo lazaina fa tsy mpanafatra vary ny ao amin'ny faritra Sava fa manana tanimbary midadasika, ka tsy misy atahorana ny famatsiam-bary ny tsena.

Digitalisation # Mitombo ny isan'ireo misitraka karinem-pokotany amin'ny endriny vaovao

Tokantrano miisa 1 787 340 no efa misitraka ny karinem-pokontany amin’ny endriny vaovao. Ny faran’ny volana mey 2025 no fetra hanatrarana ny fanontana ny karine rehetra miisa 5 817 968 misy “QR code” hozaraina amin’ireo fokontany, kaominina, disitrika manerana an’i Madagasikara araka ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Delmotte Stephanie. Miisa 5 024 645 ny tokantrano manerana ny Nosy no efa tafiditra ao anatin’ny tahirin’antontan-kevitra na “base de données”, izay manome salan’isa 86, 36% ankehitriny.
Amin’ny alalan’ny fananana ity karinem-pokotany vaovao ity no hahafahan’ny mpisitraka mahazo ireo tosika na fanampiana omen’ny fitondram-panjakana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires