• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Base Toliara
Image
Vaovao

Tetikasa Base Toliara : Hitondra tombony 5 miliara dolara ao anaty kitapom-bolam-panjakana

09/01/2025 15:04 © Moov.Mg

Mitsinjo ny toekarena, ny sosialy ary ny tontolo iainana ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hotanterahan’ny orinasa Base Toliara, antony nanapahan’ny filàn-kevitry ny minisitra ny hanokafana indray ity orinasa ity. Nivoitra izany tao anatin’ny tatitra nataon’ny minisitry ny harena an-kibon'ny tany, omaly, nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra voalohany, ho an’ny taona 2025.

Raha tsiahivina, 27 novambra 2024 lasa teo no tapaky ny filàn-kevitry ny minisitry fa hofoanana ny fampiatoana ny tetikasa Base Toliara, any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Mbola betsaka nefa ireo miahiahy ny amin’ny mety ho vokadratsin’ity asa fitrandrahana ity, ka nitondra fanazavana momba izany ny minisitry ny Harena an-kibon'ny Tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra voalohany, notanterahina omaly 8 janoary 2025, teny amin’ny lapan’Iavoloha.

Toerana lavitry ny tanàna

Nampitony ny ahiahy, ny amin’ny mety ho fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny fiainan’ireo mponina andavanandro, eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ara-tontolo iainana, ny minisitra. Nambarany fa lavitry ny tanàna no hanatanterahana ny asa, satria any amin’ny 46 km avaratr’i Toliara no misy ny toeram-pitrandrahana. Tsy hahakasika ny moron-tsirak’i Mangily sy Ifaty ihany koa izany, hoy izy, satria any amin’ny 16 hatramin’ny 18 km miala ireo moron-dranomasina ireo no hanatanterahana ny asa. Ny ahitana toeram-ponenana akaiky indrindra, dia any amin’ny iray kilometatra sy sasany any avaratry ny fitrandrahana ary ny Ala Mikea kosa dia mbola any amin’ny 20km, hoy hatrany ny fanazavana.

Eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, dia nampahafantarin’ny minisitra fa akora karazany 4 no hotrandrahin’ny Base Toliara, dia ny « ilménite », ny « rutile », ny « zircon » ary ny « monazite ». Ny 6% amin’ny tany ihany no ahitana ireo akora ireo, hoy ny minisitra Rakotomalala Olivier, noho izany, tsy hihetsika ny 94%. Tsy hisy lavaka goavana ho tavela, araka izany, satria averina totofana rahateo ny faritra avy nitrandrahana, mba ho famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana. Mialohan’ny hanatanterahana ny asa rahateo, dia mbola misy ny fanadihadiana fanampiny izay efa tanterahina ankehitriny, araka ny fampahafantarana, mba hialana amin’izay mety ho ahiahy rehetra mbola mety hampisalasala ny mponina.


Copyright Image : © Base Toliara

Tsy hanelingelina

Momba ny fiainana andavanandron’ny mponina, dia nosorohina ny endrika fanelingelenana rehetra, hoy ny minisitra. Araka izany, tsy hampiasa ny seranan-tsambo ao Toliara akory ny orinasa mpitrandraka, fa hanangana tetezan-tseranana (jetée) any avaratry ny tanànan’i Toliara. Hatao misy tongony izany, mba tsy hanelingelina ireo mpanjono, ka ho afaka hivezivezy hatrany izy ireo, araka ny filàna amin’ny asa fivelomany. Etsy an-daniny tsy hisy kamiao betsaka hivezivezy, hamakivaky ny tanànan’i Toliara, hitatitra ireo vokatry ny fitrandrahana, ka tsy hanelingelina ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena faha-9 izany, araka ny dinika efa nifanaovan’ny fitondram-panjakana sy ny tomponandraikitry ny Base Toliara. Efa misy ny lalana hafa manokana hitaterana ny vokatra ary tsy isan’andro no hisy ny fanondranana fa isaky ny fotoana hahatongavan’ny sambo ihany.

Hamatsy tetikasa

Hitondra tombony goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy, ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana manokana, sy ho an’ny firenena iray manontolo, ny fisian’ity tetikasa fitrandrahan’ny Base Toliara ity, araka ny fanamafisan’ny filoha Andry Rajoelina, izay nilaza fa tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany « tsara fifanarahana indrindra » izy ity. Mahatratra hatramin'ny 700 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny tetikasa. Hisy ny famatsiana ireo tetikasa manerana ny Nosy, izay hahatratra hatramin'ny 80 tapitrisa dolara, ka ny 40 tapitrisa dolara amin'izany dia natokana ho fampandrosoana ny Faritra Atsimo Andrefana. Hahatratra hatramin'ny 5 miliara dolara kosa ny fidiram-bola ao anaty kitapom-bolam-panjakana, mandritra ny fe-potoana haharetan'ny tetikasa. Araka ny fifanarahana natao tamin’ny orinasa Base Toliara dia hisy ihany koa ireo fotodrafitrasa hatsangana, toy ny sekoly. Ankoatra izay dia asa manodidina ny 5 000 no hiforona, ka ho laharam-pahamehana amin’izany ireo vahoaka eny ifotony.



Lire la suite

Articles Similaires