• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Fondation Wavestone
Image
Vaovao

Famatsiana rano : Hanomboka amin’ity taona 2025 ity avokoa ny asa ao anatin’ny tetikasa PAAEP

08/01/2025 16:51 © Moov

Fotoan’ny asa ity taona 2025 ity hoy ny Filoham-pirenena. Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny biraon’ny tetikasa PAAEP (Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable de Madagascar) ireo tompon’andraikitra miaraka amin’ny Minisitry ny rano amin’ny fanatanterahana ireo asa ho tanterahina ao anatin’ny tetikasa. Hanomboka amin’ity taona ity avokoa ireo asa rehetra.

Laharam-pahamehana ny eto Antananarivo

Fanavaozana sy fanatsarana ny toerana fakana rano (station de captage) ; fanamboarana sy fanavaozana ny fitehirizana sy fanangonana rano ; fanoloana fantsona efa antitra sy simba ary fanitarana fotodrafitrasa hanampy ny olona hisitraka rano fisotro madio. Ireo no asa ho tanterahina amin’ity tetikasa ity. Isan’ny ho laharam-pahamehana ny olan’ny rano eto Antananarivo izay hanombohana ny tetikasa. Ao anatin’izany ny fametrahana na fanoloana ireo vondrona mpihary herinaratra (groupe électrogène de secours) miisa 29. « Ezahina anaty fotoana fohy ny fametrahana sy fanoloana ireo vondrona mpihary herinaratra ireo mba hampiakarana ny rano ary mba tsy hisian’ny fahatapahana rano. Isan’ny asa laharam-pahamehana eto Antananarivo izany », hoy i Rakotonjanahary Ranto, Mpandrindra ny tetikasa. Ankoatra izany dia hanomboka ihany koa ny fanavaozana sy fanatsarana eny amin’ny faritra Laniera iny. Tanjona amin’izany ny mba hahafahana mamaha ny olan’ny rano eny Ivato sy Ambohidrapeto. Ho apetraka ihany koa ny « unité de compact » miisa efatra. Tsara ny manamarika fa efa vita avokoa ny fanadihadiana ara-teknika amin’ireo asa ireo.

Fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana miisa 330

Mbola asa ho tanterahina amin’ity tetikasa ity ihany koa ny fananganana ireo fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana miisa 330 manerana ny Nosy. Hanomboka amin’ity taona ity ihany koa ireo. Miisa 260 amin’ireo dia hapetraka eny amin’ireo Sekoly fanabeazana fototra ary ny 70 kosa dia eny anivon’ireo toeram-pitsaboana. Isan’ny hotanterahina amin’ity taona ity ny eto Antananarivo, Vatovavy, Fitovinany ary Amoron’i Mania. Tsara anefa ny manamarika fa faritra miisa 8 no hanatanterahana ny tetikasa. Ao anatin’izany i Antsiranana, Mahajanga, Antananarivo, Antsirabe, Manakara, Fianarantsoa, Mananjary ary Vohipeno.
Raha tsiahivina dia vola mitentina 220 tapitrisa ariary no hanatanterahana ny tetikasa ary hifarana ny taona 2027.

Lire la suite

Articles Similaires