Taona 2025 : Ireo tranga vitsivitsy hanamarika an’izao tontolo izao
Hiantomboka rahampitso ny taona 2025, izay taona ahitana 365 andro. Hisy tranga maromaro hanamarika ity taona vaovao ity, ka santionany amin’izany ireto. Marihina fa andro alarobia ny 1 janoary 2025 ary andro alarobia tahaka izany koa ny 31 desambra 2025.
Fanakonam-bolana
Isan’ny hanamarika ny taona 2025 ny hisian’ny fanakonam-bolana manontolo (éclipse lunaire totale), izay hitranga ny 14 martsa 2025. Ny any Amerika Avaratra sy Atsimo, Nouvelle-Zélande, ampahany amin’i Azia, Eoropa ary Afrika Afrika Andrefana no hahita izany. Ny tranga antsoina hoe : « super lune » kosa dia hisy 3 amin’ity taona ity, araka ny navoakan’ny tranonkalan’ny Nasa. Ny 7 ôktôbra 2025, ny 5 novambra 2025 ary ny 4 desambra 2025 no hahitana izany. Amin’ireo fotoana ireo dia ho fenomanana tsara ny volana, ary miaraka amin’izay dia akaiky indrindra amin’ny tany izy, ao anatin'ny fihodinany. Vokatr’izany dia hita ho lehibe kokoa sy mamiratra kokoa noho ny mahazatra ny volana.
Eo amin’ny lafiny ara-tantara, maromaro ireo tsingerin-taona nanamarika ny fiainan-janak’olombelona, homarihina amin’io taona 2025 vao hitsidika io. Isan’izany ny tsingerin-taona faha-80 nifaranana’ny Ady Lehibe Faharoa sy ny faha-80 taonan’ny nananganana ny Firenena Mikambana.
Fifidianana
Fa hanamarika an’io taona vaovao io ihany koa ny fiverenan’i Donald Trump indray eo amin’ny fitondrana, any Etazonia. Eo amin’izay lafiny pôlitika izay hatrany, fa ho antsika eto Madagasikara, dia handray ny toerany ireo Ben’ny Tanàna vaovao, ka tombanana ho eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 31 janoary 2025 izany, arakaraky ny fandaminana isaky ny Kaominina, raha tokony hivoaka alohan’ny 19 janoary 2025 ny vokatra ofisialy. Ao anatin’izay fifidianana izay hatrany, amin’ny volana febroary no ho fantatra ny anaran’izay ho filoha vaovao hitantana ny Vondrona Afrikanina, handimby an’i Moussa Faki Mahamat. Manana kandida ho amin’izany i Madagasikara, dia ny minisitra teo aloha, Randriamandrato Richard.
Heverin’ireo mpandinika fa hisy hetsika maro hanova zavatra eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena mandritra ity taona 2025 ity, noho ireo daty homarihina ireo, sy noho ny tranga voajanahary mafimafy mbola hatrehina, toy ny fiovan’ny toetr’andro.