• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Albinos Madagascar
Image
Vaovao

Fiaraha-monina : Eo ho eo amin’ny 85% amin’ireo Ray aman-dRenin’ny zaza varira no manilika azy ireo

24/12/2024 12:11 © Moov

Tsy mety misy fanafany ny olana mianjady amin’ireo zaza manana toe-tena varira amin’izao fotoana izao. Raha ny fanisana avy ao amin’ny Fikambanana Albinos Madagascar dia 15% amin’ireo Ray aman-dreny mananan-janaka varira ihany no mandray andraikitra amin’izy ireo.

Tsy ampy fanabeazana

Tsy ny fiaraha-monina irery araka izany no manilika ireto zaza manana toe-tena varira ireto fa hatramin’ny Ray aman-dRenin’izy ireo. Raha ny fanazavana avy amin’ny Fikambanana hatrany dia ny tsy fahampian’ny fanabeazana sy ny fampahafantarana amin’ireo fiaraha-monina ireo no tena fototr’izany olana izany. « Maro ireo Ray aman-dReny no manilika satria tsy mahafantatra ny tena fomba fitaizana sy ny mahazo ireo zazany. Misy ireo tsy mandray ireny zaza ireny ho isan’ny zanany mihitsy », hoy i Soja Ramiandrisoa, Filohan’ny Fikambanana. Etsy ankilany anefa dia efa misedra olana hafa ireo zaza amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana. Mikaroka vahaolana amin’izany lafiny maro izany ny Fikambanana amin’izao fotoana izao.

Ho averina eny anivon’ny fiaraha-monina

Miisa 70 amin’izao fotoana izao ireo zaza varira napetraka ao amin’ny akany ao Farafangana, isan’ny nahatonga ny fiakaran’io isa io izany ny fanilikilihana. Misedra olana ihany koa anefa io akany io, hoy ny fanazavana, ka manomana ny famerenana ireo zaza ireo eny anivon’ny fiaraha-monina ny fikambanana amin’izao fotoana izao. « Efa manomana ny drafitr’asa ho an’ny taona 2025 izahay amin’izao fotoana izao. Isan’ny ho ampidirina ao anatin’izany ny fanabeazana ho an’ireo fiaraha-monina hiverenany », hoy hatrany ny fanazavana. Mbola lehibe anefa ny fanamby satria ankoatra ny fanilikilihana dia mbola mitoetra ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana mianjady amin’ireo ankizy ireo. Mialohan’ny fanatanterahana izany drafitr’asa izany anefa, dia mangataka amin’izay malala-tanana hatrany izy ireo ny hanampiana ny fikambanana. Na izany, eo amin’ny lafiny ara-bola ; ara-tsakafo, ary ihany koa ny ara-pahasalamana. Isan’ny olana goavana ny « crème solaire » izay lafo vidy kanefa ilain’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires