• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faritra Vakinankaratra
Image
Vaovao

Fahavitan-tena ara-bary : Velaran-tany 2 280ha hanapariahana ny voly vary safiotra ao Vakinankaratra

24/12/2024 10:44 © Moov

Isan’ny toerana mpamokatra vary ihany koa ny faritra Vakinankaratra. Ho fanatanterahana ny ezaka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia velaran-tany mirefy 2 280ha no heverina hanapariahana ny voly vary safiotra (riz hybride) any an-toerana. Nisy ny atrikasa notanterahina tany an-toerana ny herinandro lasa teo, hanapariahana ity voly iray ity ary niasa nanomboka omaly ireo fikambanana hampihatra izany.

Hana-pamokarana ho an’ny faritra Vakinankaratra

Ho fampahafantarana sy fitondrana fanazavana amin’ny antsipiriany mahakasika ity tetikasa ity dia nampiantso ireo filohan’ny fikambanana eto amin’ny Faritra ireo tompon’andraikitra voakasika ny marainan’ny Alatsinainy 23 Desambra. Ireo filoham-pikambanana ireo no hampita amin’ny mpiray fikambanana aminy ny fepetra sy ny dingana arahina. Raha ny fantatra ihany koa dia masomboly vary safiotra 18 taonina no anjaran’ny Vakinankaratra amin’ny velarantany 2 280ha. Hanombohana izany ny 750 ha amin’ny taom-pambolena 2024-2025. Ankoatra io anefa dia hisy ny fanomezana zezika mineraly (NPK, UREE), zezika organika (taharo) an’ireo mpisitraka. Etsy ankilany ny fitaovana fivelezam-bary sy fikororoham-bary (Bâteuse, Vaneuse). Hna-pamokarana samihafa izay samy natao hanatrarana ny tanjona avokoa.

Hamokatra 1 000 000 taonina

Tsara ny manamarika fa tetikasan’ny Filoham-pirenena ity fahavitan-tena ara-bary ity. Hoampitomboina hatramin’ny 1 000 000 taonina ny vary raha ny vinavina napetraka hatrany am-piandohana. Tanjona amin’izany ny hananana fahaleovantena ara-bary ka ho mpanondrany izany indray fa tsy hanafatra intsony amin’ny alalan’ny fanaparihana ny voly vary safiotra na « Riz Hybride ». Nambaran’ny Governora nandritra ny fandraisam-pitenenana, nandritra io fotoana io, fa tokony hamafisina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny asa tahaka izao. Tombony iraisana mantsy ny vokatra azo izay hiantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires