RN6 : Mahatratra 50% ny firosoan’ny asa fanamboarana eo anelanelan’i Ambondromamy sy Ambanja
Nahita ny firosoan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6 izay mampitohy an’Ambondromamy amin’Antsiranana ny Minisitry ny asa vaventy nandritra ny fankalazana ny andron’ny faritra, notanterahina tao amin’ny faritra Diana. Efa miroso hatramin’ny 50% ny asa amin’izao fotoana, indrindra ny eo anelanelan’Ambondromamy sy Ambanja
Dingana vaovao amin’ny taona 2025
Isan’ny nanatrika izany lanonana izany ihany koa ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nandritra ny lahateniny no nilazany fa « laharam-pahamehana ny fanavaozana ny lalam-pirenena fahenina (RN6). Dingana lehibe hanatsarana ny fifandraisana ara-pitaovana sy hanohanana ny fandrosoana ara-toekarena ao amin’ny Faritra Diana sy Sofia ity fanarenana ny RN6 ity ». Araka izany dia, tsy maintsy hirosoana ny fanavaozana hatramin’ny farany iny lalana rehetra iny. Antenaina, araka izany, fa hiroso amin’ny dingana vaovao ny tetikasa amin’ny fiandohan’ny taona 2025. Amin’io fotoana io no hanombohana ny asa eo anelanelan’i Ambondromamy sy Ambanja, mamakivaky ny faritra Sofia. Heverina mantsy ny hampaisana io lalana io, anaty filaminana, amin’ny volana aogositra 2025.
Hampiroborobo ny lafiny toekarena
Tsy adinon’ny Praiministra ny nisaotra ny Filoha noho ireo ezaka marolafy natao hitsinjovana ny toekarena sy ny vahoaka any Avaratry ny Nosy. Tsy latsa-danja amin’izany ny sehatry ny fanamboaran-dalana samihafa. Ankoatra ny RN6 dia isany ihany koa ny RN5A mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar, ny ao antampon-tananan’Antsiranana sy Nosy Be. Teo ihany koa ny fanarenana ny làlana mankany Ramena sy i Montagne d’Ambre. Hisarihana mpampiasa vola iraisam-pirenena, hamolavolana fiofanana ho an’ny tanora, ary hametrahana fotodrafitrasa mivaingana hampisondrotra ny toekarena ireo tetikasa ireo. Hisy fiantraikany tsara amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina any amin’ny faritra Avaratra izany. Ny lalana rahateo izay mitondra soa fanararaotra ho an’ny isam-batan’olona ka izay no maha-zava-dehibe ny fanarenana azy.