• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tily
Image
Vaovao

« Ho Tiavinay… Madagasikara » : Fampirantiana anehoan’ny Tily ny hakanton’ny Nosintsika

23/12/2024 11:11 © Moov.Mg

Misokatra ho an’ny besinimaro eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarena, nanomboka ny sabotsy 21 desambra lasa teo ary hitohy hatramin’ny 25 janoary 2025, ny fampirantiana ny sangan’asan’ireo skoto mpaka sary mivondrona ao amin’ny Mi-Tily Sary.

Natiora tsy manam-paharoa

Taorian’ny fotoam-panokafana ny fampirantiana, ny zoma 20 desambra 2024, dia nisokatra ho an’ny besinimaro ny fampirantiana mitondra ny lohateny hoe : « Ho Tiavinay… Madagasikara », izay anehoan’ireo Tily ny fahaizany amin’ny fakana saripika, izay miompana amin’ny fanehoana ny hatsaran’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily eto Madagasikara, izao fampirantiana izao.

Fanomezam-boninahitra an’i Madagasikara ity hetsika ity, izay mitondra ny mpitsidika mitety an’ity nosintsika ity an-tsary. Ireo sary ireo, dia maneho endrika natiora samy manana ny maha-izy azy eto Madagasikara, no sady manome lanja ireo toerana miavaka sy harena ara-kolontsaina tsy manam-paharoa ananantsika, hoy ny fampitam-baovaon’ny Tily eto Madagasikara.

Fampivelarana talenta

Ny Mi-Tily Sary moa dia sehatra ivelaran'ny talentan'ireo Tily am-perinasa, na tranainy, na sakaiza tia maka sary, izay niforona 10 taona lasa izay. Efa manana ny maha-izy azy eo amin’ny sehatry ny fangalana saripika eto amintsika ity fikambanan’ny skoto mpaka sary ity, fa voalohany kosa izy ireo no mikarakara hetsika fampirantiana tahaka izao. Tanjon’ny Mi-Tily Sary ny hampahafantatra ny besinimaro, fa manankarena ny fanabeazana skoto, ary afaka manome sehatra ho an’ieo tanora mba hampivelaran’izy ireo ny talentany. Taratr’izany ity fampirantiana « Ho Tiavinay… Madagasikara », izay tanterahina eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarena ity. Misokatra ho an’ny besinimaro ny fampirantiana, ny talata hatramin’ny sabotsy, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 4 ora tolakandro.

Lire la suite

Articles Similaires