Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 16 hatramin’ny 22 desambra 2024
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 16 hatramin’ny alahady 22 desambra
CENI – Efa nivoaka tamin’ny ampahany ny voka-pifidianana vonjimaika
Ny zoma 20 desambra lasa teo no namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’Analamanga. Ny kandidà natolotry ny IRMAR, Harilala Ramanantsoa, no nibata ny fandresena tamin’izany. Efa misy renivohi-paritany hafa nisitraka vokatra ihany koa, toa an’Antsiranana.
Somary nafapana ny toe-draharaha ny faran’ny herinandro teo satria nisy voka-pifidianana hafa hitan’ny mpitsidika tao amin’ny tranokalan’ny CENI, ka niparitraka tamin’ny tambazotran-tserasera avy eo. Ny kandidà Tojo Ravalomanana no voalaza fa nandresy, raha ilay fafana no jerena. Nanambara ny CENI fa nisy nikasa hanao « piratage » ny tranokalan’izy ireo. Noho izany dia mijanona ho ilay nambara ampahibemaso ihany ny vokatra ho an’Antananarivo Renivohitra.
Andekaleka – Fanokafana ny taom-pambolenkazo
Teny Andekaleka no nanatontosana ny fanokafana ny taom-pambolenkazo 2024-2025, ny alatsinainy 16 desambra lasa teo. Nandray anjara tamin’izany ny filoham-pirenena, sy ireo ministera isan-tokony.
Ny vina famerenana an’i Madagasikara ho nosy rakotra ala dia entina miatrika ireo fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro aty amintsika. Tombony ho sitrahan’ny rehetra ihany koa izany satria ny ala miaro ny tany tsy ho main’ny ainandro, ny ala mitahiry ny rano tsy ho lasa entona haingana loatra. Rano moa dia iankinan’ny milina mpamokatra angovo ao Andekaleka, fa indrindra indrindra, rano izay miantoka ny ain’ny zavaboary sy ny manan’aina rehetra.
Ranomafana # Fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny rano
Tontosa ny 19 Desambra lasa teo ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny toha-drano (centrale hydroélectrique) tao Ranomafana, Distrikan'ny Ankazobe. Anisan'ny tobim-pamokarana goavana izy ity satria hanana tanjaka 64MW ary hamokatra 311GWh ao anatin'ny taona mifanesy. Hanampy 25% amin'ny famokarana herinaratra ato anatin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo (RIA) sy ny manodidina, ka hampihena ny olan'ny herinaratra iainan'ny vahoaka ankehitriny.
Tarigetra ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto amintsika. Ankoatra ny fampitomboana ny famokarana herinaratra, dia hampihena 300 Miliara Ariary isan-taona amin'ny fividianana solika mavesatra, hanamaivana ny fanofana milina mpihary herinaratra (groupe electrogène) mandeha amin'ny solika, ary indrindra ny hanafoana ny fanampiana ara-bola ho an'ny orinasa JIRAMA izay mahatratra 200 hatramin'ny 250 tapitrisa Dolara isan-taona.
Iavoloha – Fankasitrahana ireo atleta malagasy namiratra tany ivelany
Ny talata 17 desambra lasa teo, atleta miisa 35 amina taranja mifangaro no noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nankasitrahana tamin’izany ny mpikatroka tamin’ny Bodybuilding, Pétanque, KickBoxing, Natation ary Jiu-jitsu.
Tsara ny manamarika fa medaly miisa 55 no norombahin’i Madagasikara tamin’ity taona 2024 ity, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 24 tamin’ireo medaly ireo dia volamena avokoa. Nisy moa ny mari-bola izay nomena ireo atleta, arakaraka ny medaly azony.
Krismasy # Misy haingo sy hetsika miavaka eto Antananarivo
Ny zoma 20 desambra lasa teo no nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny "Noelin'ny Fitia". Nosokafana araka izany ny zaridainan'Ambohijatovo, izay ahitana karazan-jiro mahafinaritra. Ny atoandron'ny 20 desambra dia efa lavabe ny filaharana hidirana tao an-toerana. Ny takariva, nisy ny fizarana kilalao izay notanterahin'ny fitondram-panjakana. 500 ariary ny vidim-pidirana, ary afaka maka sary avokoa ny rehetra. Nisy ihany koa ny "concert de noel" ara-pilazantsara, izay notanterahina ny sabotsy 21 desambra, teny amin'ny Kianja Masoandro, Rovan'i Madagasikara Manjakamiadana. Nisy ihany koa ny fizarana fanomezana tamin'io fotoana io. Nitohy ny alahady 22 desambra ary mbola hitohy androany hariva amin'ny 7 ora moa ny kaonseritra.
Fety – Mitohana tanteraka ny fifamoivozana
Amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy izao, mitohana tanteraka ny fifamoivozana. Voakasik’izany manokana ny eny Analakely, Tsaralalàna, Behoririka, Andavamamba, Isotry, 67ha, Ankorondrano. Miitatra amin’ireo lalana rehetra mihazo ireo toerana ireo ny fitohanana. Etsy andaniny, be loatra ireo olona mifamezivezy noho ny fiantsenana, sady mitombo isa ireo mpivarotra. Etsy ankilany, mitohy ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra. Na ireo kodiaran-droa afaka misisisika aza dia sahirana tanteraka.
Rehefa vita ny fetin’ny krismasy vao mety miverina malalaka indray ny lalana eto an-drenivohitra. Tsy adino nefa fa mbola hanomana ny fandraisana ny taona vaovao ihany koa ny rehetra.
Mpamonjy voina # Maromaro ireo haintrano sy tranga firehetana
Trangana firehetana miisa 8 farafahakeliny no nitranga teto Antananarivo Renivohitra, tamin'ny herinandro lasa teo. Hain-trano 3, vonjy aina an-drano 2, firehetana fako sy ala 3 no niseho nanomboka ny alahady 8 ka hatramin'ny alatsinainy 16 desambra. Ny tena nanamarika dia ny fahaizan'ny ala bararata mirefy 20 m2 eo ho eo, tao amin'ny valanjavaboaharin'i Tsimbazaza.
Tsy adino ny loza an-drano, izay nanavotana ain'olona. Nisy ohatra ny famonjena ny lehilahy 27 taona latsaka an-drano teny Andohatapenaka, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Nisy tovolahy 15 taona teo ho eo ihany koa, maty an-drano, teny Amoronankona, akain'ny "Jovena double".
Ampahatsiahivina hatrany ny rehetra mba samy ho mailo, ka tsy hanipinipy sisan-tsigara mbola mirehitra etsy sy eroa. Amporisihina ihany koa ny fanesorana ny "prise"-n'ireo fitaovana elektrika tsy ampiasaina rehefa hivoaka ny trano.
Jono – Mikatona vonjimaika ny fanjonoana Orita
Voarara ny fanjonoana Orita (Poulpe) manomboka ny faha 15 Desambra 2024 misasak'alina hatramin'ny 31 Janoary 2025 misasak'alina, ho an'ny Faritra Andrefan'i Madagasikara rehetra. Efa namoaka filazana mikasika io fanapahan-kevitra io ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’iny herinandro lasa iny. Efa samy nanao fanambarana avokoa ireo mpivarotra sy mpanangombokatra ny amin’ny tahiry (stock) izay ananan’izy ireo. Azo antoka izany fa mbola hahita orita eny an-tsena hatrany ireo mpanjifa, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.
Fampianarana Ambony # Fanatsarana ny Lalàna mifehy ny fifidianana eo anivon'ny Oniversité
Raha tsiahivina dia nisy ny Fihaonamben'ireo Filohan'ny Oniversite na « CPU » ny 6 desambra lasa teo. Nodinihina manokana ny mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo tompon'andraikitra hitantana eny anivon'ireo Oniversite manerana ny nosy. Nentina nandritra ny dinika an-databatra boribory niarahan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa izany hevitra izany, ny 19 desambra lasa teo.
Nandritra ny fivoriana dia niara-nanaiky ny rehetra fa misy tsy fahatomombanana sy hevitra mifandipatra maromaro hita ao amin’ny lalàna ankehitriny. Tanjona ny hamoahana lalàna ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lalàna velona, tsy misy fifanoherana, mifanaraka amin'ny zava-misy iainan'ireo Oniversite tsirairay ary mampisy fifandimbiasana demokratika. Mbola misy vondron'olon-kafa hakana hevitra eny anivon'ireo oniversite ary aorian'ny fanapahan-kevitra eken'ny besinimaro dia haroso hodinihana amin'ny Filan-kevitry ny Governemanta izany.
Fampianarana # Nahazo fitaovana maoderina ny DREN Analamanga
Nanolotra "video projecteurs” miisa 10 ho an’ny sekolim-panjakana miisa 10 eto amin’ny DREN Analamanga Ny orinasa “Epson Europe BV Maroc”. Teny amin'ny "Lycée Moderne Ampefiloha" (LMA) no nanatanterahana ny fanolorana izany alakamisy 19 desambra lasa teo. Tanjona ny fanampiana ireo sekoly sy fanamora ny asa fampianarana eo amin'iny sehatry ny teknolijia.
Niatrika izany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle izay nitondra ny teny fisaorana ho an’ny solontenan'ny orinasa Epson sy ny Minisitry ny fampiroboroboana ny haitao sy ny arakajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Stephanie Delmotte ary ny Tale Jeneralin’ny ornasa Ilias Azzaoui.Fanombohana ny eto amin'ny DREN Analamanga fa hiitatra amin'ny DREN manerana an'i Madagasikara ity tetikasa ity.